Trangam-piaraha-monina

ZAZAVAVY 15 TAONA NIHARAN’NY FANOLANANA FAOBE: Naiditra am-ponja vonjimaika ireo 09 lahy tompon’antoka

Lehilahy miisa 09 be izao no tratra nanolana zazavavy 15 taona, tao Amparafaravola, voasambotry ny Polisim-pirenena avy amin’ny Fitaleavam-paritry ny Filaminam-bahoaka ao Alaotra Mangoro, ny 21 sy 22 oktobra lasa teo. Raha tsiahivina dia lasibatry ny fanolanana io zazavavy 15 taona io vokatry ny filàn-dratsin’ireo tsy mataho-tody miisa sivy, ny alin’ny 15 oktobra lasa teo, tao amin’ny Fokontany Ambohimandroso, Kaominina Ambohitrarivo Amparafaravola. Nandeha nanatrika raharaham-pianakaviana moa ny Ray aman-drenin’ity zazavavy ity, no izao noararaotin’ireto olon-dratsy voalaza.
Io zazavavy io, izay fantatra fa nandeha irery tamina toerana maizina, no tratran’izy ireo tamin’izao filan-dratsy izao. Vokatr’izany, ny maraina izy vao tonga tany an-trano ka nilaza ny zava-nitranga tamin’ireo Ray aman-dreniny. Ireto farany, no nilomay nanatona ny Mpitandro filaminana sy nanao fitarainana. Nentina teny amin’ny tobim-pahasalamana ilay zazavavy, ary tamin’izany no voaporofo fa niharan’ny fanolanana tambabe ity zazavavy ity, raha ny tatitra voaray teo anivon’ny Polisim-pirenena. Nanoro ny mombamomba ireo mpanolana azy ilay zazavavy ka voasambotra tsikelikely. Ny roa tamin’izy ireo no voasambotra ny 21 oktobra, raha ny 22 oktobra teo kosa, ny 07 lahy ambiny.
Taorian’ny famotorana nataon’ny Polisim-pirenena dia natolotra ny fampanoavana ny raharaha, ary izao naiditra am-ponja vonjimaika izao miandry ny fotoam-pitsarana azy.

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *

Fermer