Fanadihadiana Manokana
ZOKIOLONA MIHOATRA NY 80 TAONA: Hiakatra 25% ny fisotroan-dronono manomboka amin’ny desambra
Noho ny fahombiazan’ny fanatsarana ny fitantanana teo anivon’ny CNaPS dia afaka ny hitsinjo bebe kokoa ireo mpiasa mpikambana ao aminy io sampan-draharaha io ankehitriny. Tapaka, noho izany, fa hiakatra 25% mifanila amin’ny karama farany ambany ny fisotroan-drononon’ireo Zokiolona mihoatra ny 80 taona. Hiatraka 25% sy 50% araka ny sokajiny avy ihany koa ny fisotroan-drononon’ireo vady navelan’ny maty.
Mampiroborobo ny fanatsarana eo anivon’ny CNaPS (kitapom-bolam-panjakana momba ny fiahiana ara-tsosialy) ireo mpitantana ao aminy ankehitriny. Ny CNaPS izay sampan-draharahana eo ambany fiahian’ny Ministeran’ny Asa, ny Fampananan’asa ary ny Asam-panjakana (MTEFoP). Miroso amin’ny fampifanarahana ny tolotra sy ny haitao ara-kajy mirindra na ny “digitalisation” io sampan-draharaha io amin’izao fotoana, izay tsy azo ialana intsony amin’ny vanim-potoana misy ankehitriny. Nanazava omaly ny Filohampirenena Andry Rajoelina fa hahafahana mitondra fanavaozana sy fanatsarana ary hahazoana tombony ny fampidirana ny haitao ara-kajy mirindra any amin’ny sehatra marolafy. Toy ny fampidirana izany tany amin’ny fizarana ny vatsim-pianaran’ireo mpianatra eny amin’ny Oniversite, ohatra, dia foana ny gaboraraka nisy teo aloha, tsy misy intsony ny vola verivery nahafaty antoka ny firenena. Nahafahana nanangona 24 miliara ariary ny fanatsarana natao.
Rehefa izany, tolotra miisa 7 eo anivon’ny CNaPS no namoraina sy nampidirana izay fampiasana ny haitao ara-kajy mirindra izay, mitsinjara toy izao:
-Tolotra1: fangatahana laharana CNaPS ho an’ny mpampiasa vaovao,
-Tolotra2: filazan-karama,
-Tolotra3: fandefasana fanamarinam-pahavelomana amin’ny “application mobile CNaPS”,
-Tolotra4: ny “champion du Social by CNaPS” sy ny “Entreprise responsible et solidaire”,
-Tolotra5: tolotra ho an’ireo mpiasa tsy fehezin’ny lalànan’ny asa,
-Tolotra6: fijerena ny kaonty manokan’ny mpiasa miaraka amin’ny someso alefa any amin’ny 575
-Tolotra7: ny “Biométrisation”.
Nampahafantarina tamin’ny fomba ofisialy omaly moa ny momba ireo tolotra vaovao ampiasana ny “digitalisation” ireo.
Fitsinjovana manokana ireo Zokiolona
Ankoatra ireo, hahafahana mitondra fivoarana ihany koa ny fampiroboroboana ny fitondrana tsara tantana izay iray amin’ireo vinam-pampandrosoana napetraky ny Filoha. Mizotra amin’izay lalan-tsaina izay ny CNaPS. Nanazava hatrany ny Filoha Andry Rajoelina fa laza ratsy amin’ny resaka fitantanana no nahafantarana izany orinasa CNaPS izany teo aloha, tsy maintsy misy foana ny fitadiavana ampaham-bola hafa hamatsiana ny volan’ireo mpisitraka fiahiana ara-tsosialy. Miova anefa izany ankehitriny satria nahatratra 470 miliara ariary ny vola nampidirin’ny CNaPS raha toa ka mitentina 350 miliara kosa ny vola fandaniana nivoaka. “Sambany vao mba nisy teo amin’ny tantaran’ny tsara tantana izany ka manana ambim-bava hahafahana mitsinjo ny mpikambana isika”, hoy ny fanazavana. Izany indrindra no nahatonga ny Filohampirenena nanambara fa “hojerevantsika daholo ny fomba rehetra hanatsarana ny fisotroan-dronono… Isan-taona dia tsy maintsy mijery ny fanatsarana tokony atao isika”.
Araka izany, hanombohana izay fanatsarana izay ny fampiakarana ny fisotroan-drononon’ireo Zokiolona eo amin’ny sokajy mihoatra ny 80 taona. Hiakatra 25% mifanilana amin’ny karama farany ambana ny fisotroan-dronono raisin’izy ireo. Nanazava ny Minisitry ny Asa, ny Fampananan’Asa ary ny Asam-panjakana Hanitra Fitiavana Razakaboana fa tsy hiandrasan’ela fa hihatra avy hatrany mandritra ity 3 volana farany amin’ny taona 2024 ity io fampiakarana fisotroan-dronono io. Afaka ny hisitraka izany manomboka amin’ny volana desambra ireo Zokiolona.
Ankoatra io sokajy io, tapaka ihany koa fa hakarina ny fisotroan-drononon’ireo vady navelan’ny mpiasa efa maty. Nampitaraina olona maro hatrany izany teo aloha ka sambany vao mba hisy io fampiakarana io. Ho an’ireo olona mananontena mbola miasa dia hiakatra 25% mitahana amin’ny karaman’ilay olona dimbiasany ny “pension de veuvage” raisiny, raha toa ka 15% izany teo aloha. Ary hiakatra ny 50% ny 30% fisotroan-drononon’ireo mananontena tsy an’asa. Manampy ireo hatrany, mbola nanome baiko ny Filoha fa hotolorana solombodiakoho ireo Zokiolona mpikambana ao amin’ny CNaPS rehefa mifarana ity taona ity, mitovy ny natao tamin’ny taon-dasa farany teo.
Tsara moa ny manamarika fa notanterahana teto Antananarivo nifanindran-dalana niaraka tamin’ny fampahafantarana ireo fanavaozana eo anivon’ny CNaPS ireo ny fihaonamben’ireo Zokiolona mpandray fisotroan-dronona manerana ny Nosy izay vao voalohany ihany koa no nanatanterahana izany. Nisy ny fehin-kevitra sy fangatahana nivoaka ka natolotra ny Filohampirenena omaly. Isan’ny famaliana ny iray amin’ny hetahetan’izy ireo io fampiakarana fisotroan-dronono io.
Fanitarana ny fiahiana ara-tsosialy any amin’ireo mpiasa tena
“Ny fiahiana ara-tsosialy dia manana anjara toerana lehibe amin’ny fiahiana ny maha olona ary anisany zo fototra ho an’ny mpiasa ny fisitrahana izany ka manan-danja lehibe amin’ny fampiroboroboana ny asa mendrika sy ny lafiny maha olona mba hisian’ny fampandrosoana maharitra”, hoy ny fanazavana nendrin-dRamatoa Minisitra. Ato anatin’ny fotoana fohy, hoy izy, dia hivoatra be ny fiahiana ara-tsosialy ary tsy natao ho an’olom-bitsy intsony izany. Tanjon’ny Fitondram-panjakana ny hahafahan’ny Malagasy rehetra misitraka ny fiahiana ara-tsosialy. Antony nahatonga ny Filoha Andry Rajoelina nilaza fa “mbola maro ny fanitarana ny fiahiana ara-tsosialy tokony atao, indrindra ho an’ireo mpiasa tena”. Maro mantsy ny mbola tsy misitraka io fiahiana ara-tsosialy io satria tantsaha mpisehatra eny amin’ny tontolo ambanivohitra avokoa ny 80%-n’ny Malagasy. Tsy miasa amina orinasa sy tsy misitraka fisotroan-dronono izy ireo. Mba hahafahana mampisitraka azy ireo izay fiahiana ara-tsosialy izay dia tsy maintsy hirosoana aloha ny fanampiana ireo tantsaha amin’ny fampiakarana ny farim-piainany, hoy hatrany, ny Filoha. Hampiroboroboana ny fanodinana ara-tsakafo ary hatsaraina hatrany ny voka-bary. Ny fahombiazan’ireo no hahafahan’ireo tantsaha mandoa latsakemboka ka hisitraka fiahiana ara-tsosialy.
Ankilany, nanazava ny Minisitry ny Asa, ny Fampananan’asa ary ny Asam-panjakana fa efa an-dalana amin’izay lalan-tsain’ny fanitarana ny fiahiana ara-tsosialy ho an’ireo mpiasa tena izay isika ankehitriny. Efa natomboka tamin’ny enim-bolana voalohany tamin’ity taona ity ny tany amin’ny Faritra Vakinankaratra, nijerena ny fiahiana ara-tsosialy sy ny fiahiana ara-pahasalaman’ny ankohohonana, izay niarahan’ny MTEFoP tamin’ny Ministeran’ny Fahasalamam-bahoaka, ny Ministeran’ny Mponina sy ny Firaisan-kina ary ireo mpiara-miombona antoka maro. Eo amin’ny dingana famolavolana ny paikady hahafahana manome fiahiana ara-tsosialy ho an’ireo mpiasa tena toy ny fisotroan-dronono, ny vola azo rehefa misy takaitra sy ny tsy fahafahana miasa noho ny antony marolafy ireo tompon’andraikitra amin’izao Fotoana. Ny Faritra Atsinanana indray no hanaovana fidinana hanitarana io fiahiana ara-tsosialin’ny mpiasa tena io atsy ho atsy. Tsara ny manamarika fa ankoatra ireo mpamboly sy mpiompy dia afaka ny hiantsehana ao anatin’izany rehefa mpiasa tena toy ny mpivarotra, mpanao asa tanana, artista… ary atao mifanaraka amin’ny fahafahan’izy ireo mandoa fandraisan’anjara ny fanefany izany.
Nangonin’i Sarobidy Sidonie.




