Songadim-baovaoTrangam-piaraha-monina

ZOTRA “199” TAPAKA HISATRA TENY BEHORIRIKA: Nandona olona efatra sy zazakely iray, tsy nisy aina nafoy

Tampoka tsy nampoizin’ny maro nifanaretsaka teny Behoririka ny fisiana lozam-pifamoivoizana teny an-toerana, omaly, tokony ho tamin’ny 10 ora sy sasany maraina. Taksibe zotra 199 no tapaka hisatra tamin’izany, ary nandona olona 05 avy hatrany teo alohany. Ny iray tamin’izy ireo nitondra kodiaran-droa, saingy tsy nisy ahina raha ny fahitana azy. Nahitana fahasimbana maro kosa, ny fitaovam-pitaterany. Ankoatr’io olona miisa 04, ka zazakely efa-bolana ny iray. Ny renin’io zaza io no voalaza fa tena voa mafy tamin’ity lozam-pifamoivoizana ity, izay mbola eny amin’ny hopitaly manaraka fitsaboana eny amin’ny hopitaly HJRA, tao amin’ny sampana fameloman’aina, raha ny vaovao voaray hatramin’ny omaly hariva. Tsy misy natahorana kosa, ny ambiny, ary ilay zaza efa-bolana ihany koa dia salama tsara taorian’ny fizahana nataon’ny mpitsabo. Notanana natao andrimaso ny mpamilin’ilay fiara mpitatitra olona, lehilahy 46 taona. Tsy marina araka izany, ny filazana tamin’ny tambazotran-tserasera omaly hariva, fa nisy namoy ny ainy tamin’ireo niharam-boina tamin’ity loza ity. Ankoatra ny olana ara-teknikan’ny fiara izay mateti-pitranga tato ho ato izay, dia maro ny naneho hevitra teny an-toerana, fa tokony halalahana hatrany toy ny teo aloha ny lalan’ny fiara, ary hatao maka sisiny ny mpivarotra sy ny mpandeha an-tongotra.

Nangonin’i Stan R.

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *

Fermer