SamihafaSosialy
ZOTRA HANOMBOKA SABOTSY: Matoky ny fahendren’ireo tobim-piantsonana sy mpitatitra ny ATT
Maro ireo fepetra efa napetraka tany am-piandohan’ny “Hamehana ara-pahasalamana” ity, raha ny Zotra nasionaly no resahina. Niampy anefa izany, ary noantitranterin’ny teo anivon’ny ATT harahin’ireo tobim-piantsonana rehetra hanomboka ny asa, torak’izany ireo mpitatitra tsirairay, mba tsy hiteraka olana amin’izao fisokafana vaovao izao…

Hisokatra ny sabotsy 29 aogositra ho avy izao tokoa ny Zotra nasionaly mampitohy an’Antananarivo amin’ny faritra hafa, dia i Toamasina, raha tsiahivina. Zotra miisa fito, araka izany, no handeha hifamezivezy hampitohy an’Antananarivo manomboka amin’io fotoana io, dia i Manjakandriana, Moramanga, Brickaville, Toamasina voalohany sy faharoa, Vatomandry, ary Mahanoro. Efa nisy ny fanomanana ireo tobim-piantsonana sy mpitatitra nataon’ny Antokon-draharaha misahana ny fitaterana an-tanety (ATT), talohan’izao fanapahan-kevitra niainga avy tamin’ny Filohan’ny Repoblika izao, raha ny fantatra. Tobim-piantsonana vitsivitsy ihany koa, no mbola afaka miasa manomboka amin’io fotoana io, dia ny eny amin’ny Maki, Ampasampito, ary Ambodivona. Notsindrian’ny Jeneraly Reribake Jeannot, Tale jeneralin’ny ATT, fa ny fepetra mikasika ny elanelana no tokony hajain’ireo tobim-piantsonana voalohany. Fantatra ary, fa tsy misy olona mahazo manatona ny tobim-piantsonana ireo, raha tsy efa nahavita ny famandrihan-toerana tamin’ny alalan’ny finday. Raha ny fanazavana nataony, “efa naparitak’ireo tobim-piantsonana rehetra nanomboka omaly ny laharan’ny finday afaka hanaovana io famandrihana io, hanamora izany fandaminana izany”. Manampy izany ny tsy fahafahan’ireo olon-kafa ivelan’ireo mpandraharaha ao anaty tobim-piantsonana, mivezivezy, toy ireo mpanatitra olona. Ireo mpiasa ao kosa, dia tsy maintsy manao mari-pamantarana manokana toy ny aron’akanjo sy “badge”. Misy koa ny famendrahana ranom-panafody isan’andro amin’ireo fiara hiainga, ary tsy afaka manainga izy ireny raha tsy ara-dalàna amin’izany. Notsindrian’ny Tale jeneraly ity, fa tsy misy fiara mahazo miainga ivelan’ny tobim-piantsonana. Fepetra vaovao noraisina koa ny tsy fahafahan’ireo fiara mpitatitra mitondra entam-barotra, afa-tsy ny entan’ireo mpandeha ihany. “Ampiharina manomboka amin’izao fisokafana vaovao izao izany, ho fanajana sy fiarovana ny ain’ny mpandeha”, raha ny nohamafisiny. Hisy koa ny famenoana “Manifold”, izay tsy hahafahan’ny fiara miainga eny amin’ireo tobim-piantsonana ihany koa, raha tsy feno tanteraka. Hita ao avokoa ny mombamomba ny mpandeha rehetra amin’ny alalan’ny karapanondrony, izay afaka savain’ny mpitandro filaminana eny an-dalana. Ankoatra izay dia fantatra fa tokony hitondra arotava roan y mpandeha sy ny mpamily ary ny mpanampy azy, nohon’ny faharetan’ny dia. Tsy ho afa-miainga ihany koa ireo fiara tsy manana tsiranoka fanasan-tanana (gel désinfectant).
Manam-petra ny fiaingana, hajaina ny “Couvre feu”
Ankoatra ireo fepetra maro samihafa efa voatanisa, fantatra fa hiainga tsikelikely ireo fiara hihazo ny faritra Atsinanana, manomboka amin’io fiaingana vaovao io. Hanomboka amin’ny 6ora maraina izany fiaingana izany, ary hifarana ny mitatao vovonana, araka ny fandaminana eo anivon’ny ATT. Hisy fiaingana isaky ny ora iray, araka izany, eny amin’ireo tobim-piantsonana voalaza ireo. Izany no natao dia hisorohana ny fitangoronana be eny an-toerana, fa koa hanajana ny tsy fahafahana mandeha amin’ny alina. “Tokony tsy hisy fiara mpitatitra handeha intsony manomboka amin’ny 10ora (couvre feu), ary efa tokony ho tonga amin’ny toerana hitobiany ireo fiara amin’ny 9ora alina. Torak’izany ireo fiara miainga avy any Toamasina, ohatra, tokony hiainga amin’ny 10ora maraina hanatrarana io fotoana eto io”, nanampy fanazavana ny Jeneraly Reribake Jeannot. Ny amin’ny saran-dalana dia tsy miova raha ny nomarihan’ity tompon’andraikitry ny fitaterana an-tanety ity, ary tokana ihany ny fandoavam-bola eny amin’ireo tobim-piantsonana. Ho an’ireo fiaran’olon-tsotra indray kosa, dia afaka mihazo ny faritra Atsinanana ihany koa manomboka ny sabotsy ho avy io, saingy tsy mihoatra ny efatra ny olona entiny. Manaraka izany ny fanajana ireo fepetra efa voalaza, sy ny fanajana ny “couvre feu”.




