SamihafaSosialy

ZOTRA MIHAZO NY FARITRA: Mitohy hatrany ny fitiliana alohan’ny fiaingana

Araka ny fandaminana efa napetraky ny teo anivon’ny Antokon-draharaha misahana ny fitaterana an-tanety (ATT), niainga avy tamin’ny fanapahan-kevitry ny fitondram-panjakana ny amin’ny nanokafana ny Zotra nasionaly, izay natomboka amin’ny zotra mihazo an’Atsinanana, misy ary mbola manamafy ny fitiliana ireo isaky ny tobim-piantsonana, alohan’ny fiaingan’ireo mpandeha. Mizotra an-tsakany sy an-davany ny fitiliana ireo mpandeha rehetra, mikasa hihazo ny faritra Atsinanana, amin’izao fotoana, eran’ireo tobim-piantsonana mikarakara izany amin’izao fotoana. Misy, araka izany, mpiasan’ny fahasalamana mandray an-tanana azy ireo, eny amin’ireo toerana handraisana fiara. Anisany zahana amin’izany ny hafanana, satria tsy azo ekena ny fisian’ny olona tsy salama mihazo ny faritra, hisorohana hatrany ny mety ho fiparitahan’io valanaretina io. Fantatra ary, fa handraisana fepetra ireo olona ahitana soritraretina mampiahiahy, raha tsy mbola nahitana izany, hatreto, raha ny nambaran’ny dokotera Rakotoarivony Manitra, Talen’ny fampiroboroboana ny fahasalamana eo anivon’ny minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka. Eo amin’ny fanaraha-maso ireo mpandeha indray, dia tsiahivina fa misy hatrany ny firaketana an-tsoratra ny mombamomba azy ireo, dieny eo am-piaingana ny tobim-piantsonana. Fantatra, fa “na ny zaza, aza, dia raisina amin’izany avokoa, mba hanamora ny fandraisana an-tanana, raha sendra olana ara-pahasalamana tampoka eny am-pandehanana”, nanamafy ny dokotera Manitra. Ankoatra ireo fepetra manandrify arahin’ny tobim-piantsonana amin’ireo fiara hiainga, tsiahivina hatrany, fa tsy maintsy mitondra arotava roa farafahakeliny ny mpandeha iray. Ilaina koa ny mivimbina sakafo maivana, rano ho an’izay mila izany. Eo amin’ny zotram-piaramanidina izay fantatra fa nisokatra omaly indray, misy koa ny fitsirihana ny fahasalaman’ireo mpandeha hihazo ny faritra hafa, izay atao eny amin’ny antokon-draharahan’ny Air Madagascar, alohan’ny fiaingana eto Antananarivo. Ho an’ireo tonga avy any amin’ny faritra dia eny amin’ny seranam-piaramanidina iraisam-pirenena Ivato, no hanatanterahana izany, raha ny fantatra.

Miha vitsy hatrany ireo tonga manao fitiliana eny amin’ny CMC Andohatapenaka

Ankoatra izay, mitohy hatrany koa ny fitiliana atao amin’ireo misy soritraretina covid-19, eny amin’ny Village voara Andohatapenaka. Nohamafisin’ity mpitsabo iray ity, fa midina hatrany ny isan’ireo olona tonga eny an-toerana tonga manatanteraka izany. Noho izany, voafetra hatramin’ny 5ora hariva  ny fanataterahana izany eny an-toerana, raha manomboka amin’ny 8ora maraina, araka ny fanapahan-kevitry ny tompon’andraikitra. Manoloana amin’ny mety ho fakam-panahy eo amin’ny resaka kolikoly indray, manentana ireo olon atonga hanao fitiliana ny mpitsabo, hametraka fitarainana avy hatrany ao amin’ny “Cellule de Coordination”, raha mahita tranga.

Fermer