
PolitikaSongadim-baovao
ZOTRAM-PIFIDIANANA : Efa mizara ny Karatry ny Mpifidy ny 80%-n’ny Kaominina manerana ny Nosy
Tsy mahasakana ny eo anivon’ny Vaomieram-pirenena mahaleotena misahana ny fifidianana (Ceni) tsy hanatontosa ireo asa rehetra efa voafaritra anaty tetiandro ny adihevitra politika manodidina ny fifidianana ankehitriny. Araka ny tatitra tamin’ity herinandro ity, efa manodidina ny 80%-n’ireo Kaominina manerana ny Nosy no mizara ny Karatry ny Mpifidy.
Efa mandeha avokoa ny fizarana ny Karatry ny Mpifidy any amin’ireo distrika 119 manerana ny Nosy, araka ny fanazavan’ny Filoha lefitry ny Vaomieram-pirenena mahaleotena misahana ny fifidianana (Ceni), Ando Andriamalazaray, tamin’ity herinandro ity. Miankina amin’ny alaviran’ny toerana kosa no hahatongavan’izany any amin’ny Kaominina sy ny fokontany. Marihiha fa azon’ny olom-pirenena atao ny maka izany mivantana eny amin’ny biraom-pokontany, na ihany koa miandry ny fizarana isan-tokatrano.
Raha ho an’ity herinandro ity, dia ny 80%-n’ireo Kaominina manerana ny Nosy no efa miroso amin’ny fizarana, araka ny tatitra hatrany. Izany hoe, ny 1 360 amin’ny 1695 kaominina no efa naharay ny anjarany. Misy kosa ny fokontany izay miala lavitra ny foiben’ny kaominina misy azy ka misy fahatarany ny karatry ny mpifidy noho ny dia an-tongotra. “Miantso ny namana sy ireo rantsamangaika ny Ceni mba handray misimisy kokoa ny andraikitra tandrify azy mba ho voatsinjara araka ny tokony ho izy eny ampelatan’ny olom-pirenena ireo karatry ny mpifidy”.
Mpikamban’ny biraom-pifidianana
Etsy ankilany, efa eo ampitadiavana ireo olona mpikamban’ny biraom-pifidianana ihany koa ny Ceni ankehitriny. Misy ireo masontsivana apetraka, ka ireo mahafeno fepetra no apetraka sy hotendrena, ary homena fiofanana hahafahana manatanteraka ny asa rehefa tonga ny fotoam-pifidianana.
Olona dimy no mandrafitra ny biraom-pifidianana, araka ny fanazavana, filoha ny iray. Filoha lefitra iray, mitantsoratra ny iray, ary mpanampy ny roa. 30 andro mialohan’ny datin’ny fifidianana ireo no tsy maintsy tafapetraka, araka ny lalàna. Izany hoe, raha amin’ity fifidianana hatao amin’ny 09 novambra 2023 ity no asian-teny, dia amin’ny 10 oktobra no tsy maintsy tafapetraka ny biraom-pifidianana rehetra manerana ny Nosy. Anisan’ny mampanano sarotra ny asan’ny Ceni ny mitady olona mahay mamaky teny, manoratra ary manao kajy any amin’ny toerana sasantsasany eto Madagasikara.



