PolitikaSongadim-baovao
ZOTRAM-PIFIDIANANA ETO MADAGASIKARA : Nanolotra soso-kevitra fanatsarana ny Ceni
Isany niteraka adihevitra teto amintsika hatrany ny mahakasika ny « Pré-campagne », izay hilazan’ny sasany ho fanaovana fampielezan-kevitra mialohan’ny fotoana. Eo anatrehan’izany, nisy ny soso-kevitra fanatsarana ny zotram-pifidianana amin’ny ankapobeny nataon’ny Ceni, ary anisany voaresaka tamin’izany ny mahakasika io fotoan’ny fampielezan-kevitra io. Noho izany, isan’ny tolo-kevitry ny Ceni ny hoe herintaona mialohan’ny volana hanaovana ny fifidianana no hisian’ilay antsoina hoe “Période préliminaire”. Ao amin’io elanelam-potoana io no hahafahan’ny kandida sy ny mpanohana azy miomana amin’ny fifidianana. Tsara marihana fa mbola tsy fampielezan-kevitra io akory, fa fiomankomanana samihafa fotsiny ihany, araka ny fanazavan’ny mpampaka-teny, Fano Rakotondrazaka. Raha vao mivoaka kosa ny lisitra ofisialin’ireo kandida dia manomboka avy hatrany ny fampielezan-kevitra. Izany hoe, somary halalaka kokoa ny fotoana hanomanana ny fifidianana sy hahafahan’ireo kandida manao fampielezan-kevitra.
Famerenana ny « Caution »
Nanatanteraka fivoriam-be ny Vaomiera mahaleotena misahana ny fifidianana na ny Ceni, omaly, niaraka tamin’ireo mpiara-miombon’antoka sy ireo antoko politika samihafa, mahakasika ny fifidianana izay notanterahana teto amin’ny firenena tamin’ny taona 2018 sy 2019. Nisy, araka izany, ireo fanavaozana natolotry ny Ceni, niainga avy tamin’ireo tolokevitra avy amin’ireo mpiara-miombon’antoka, antoko politika ary ireo kandida tamin’ny fifidianana, ireo fiarahamonim-pirenena, indrindra mpandray anjara tamin’ny fanarahamaso ny fifidianana. Nisy koa tolo-kevitra azo avy tamin’ireo mpanohana ara-bola sy ara-teknika, ary sokajin’olona samihafa izay niara-nisalahy tamin’ny fanatanterahana ny fifidianana nifandimby. Isany voaresaka ao amin’ity tolo-kevitra fanavaozana nentin’ny Ceni ity ihany koa, araka izany, ny mahakasika ny « Caution » na ilay fampandraisana anjaran’ny kandida amin’ny fanontana ny bileta tokana. « Rehefa nampitaha ny Ceni amin’ny zava-misy any amin’ny firenen-kafa, dia tsapa ho somary ambony ilay taha, satria 10%-n’ny vato manan-kery no tsy maintsy azon’ny kandida izay vao haverina aminy ilay “caution” », hoy ny fanazavan-dRakotondrazaka Fano. Eo anatrehan’izany, nandroso soso-kevitra ny Ceni hoe rehefa mahazo ny 5%-n’ny vato manan-kery ny kandida dia haverina aminy ny Caution naloany. Ary koa, hamoraina ny pitsopitsony rehetra amin’ny famerenana ireny « caution » ireny. Tsara ho fantatra fa ireny tolo-kevitra ireny, no naravon’ny Ceni, ary hatolotry any amin’ireo rafitra mahefa amin’ny fampandaniana lalàna eto amintsika.




