PolitikaSongadim-baovao

ZOTRAM-PIFIDIANANA – FEPETRA MANOKANA: Namoraina ny fahafahan’ny Kandidà mampiditra angidimby

Nitondra fanazavana mikasika ny fepetra fampidirana angidimby eto Madagasikara ny Tale Jeneralin’ny « Aviation Civile de Madagascar – ACM », ny  Kolonely Damasy Gervais omaly. Niteraka resabe tokoa ity lafin-javatra iray ity satria maro ireo kandida no nahatsiaro ho sahirana amin’ny fahazoana alalana hampiditra izany. Tsy maintsy nisy, noho izany, ny fepetra manokana noraisin’ny ACM mba ho fampitoviana lenta ireo kandidà rehetra.

Tranga iray nahatonga fahasorenana teo amin’ireo Kandida mifaninana ao anatin’izao zotram-pifidianana izao ny resaka fampidirana angidimby eto Madagasikara, izay ho ampiasaina mandritra ny fampielezan-kevitra. Nambaran’izy ireo ombieny ombieny mantsy fa ampifilafilain’ny Governemanta ny fampidirana izany, ka izay heverin’izy ireo fa kandidam-panjakana ihany no afaka mampiditra angidimby. Anisan’ny nafana io adihevitra io nandritra ny fisarihana ny laharan’ny kandida teny amin’ny foibe toeran’ny Ceni Alarobia, ny 11 Septambra 2023.

Omaly, nitondra fanazavana ny Tale Jeneralin’ny « Aviation Civile de Madagascar – ACM », ny  Kolonely Damasy Gervais. Nambarany fa kandida 4 hatramin’ny omaly no nametraka fangatahana teo amin’ny « Aviation Civile de Madagascar (ACM) momba ny fanafarana angidimby. Anisan’izany i Ravalomanana Marc, Andrianainarivelo Hajo, Randrianasoloniaiko Siteny, Razafinjoelina Tahina. Tsy misy mahafeno ny fepetra voalazan’ny fanapahana iraisana minisitera laharana 2213/2018, tamin’ny Janoary 2018 anefa ireo fangatahana ireo. Anisan’izany ny fepetra momba ny fe-potoana izay tokony ho roa volana mialoha ny hahatongavany eto an-toerana.

Noho izany, ho fitsinjovana ny tombontsoan’ny firenena sy ho fampitoviana herijika ny kandida tsirairay dia nandray fepetra manokana ny ACM hanomezana alalana ny kandida rehetra hampiditra angidimby. Fahefana omen’ny lalàna ny ACM ny fandraisana fepetra manokana na « dérogation », araka ny fanazavana omaly. Hentitra kosa ny fanaraha-maso ny filaminana sy fiantohana ara-tekinika ny sidina. Hitsikilo akaiky izany ny tomponandraikitra, hoy ny tale jeneralin’ny ACM, Kolonely Damasy Gervais omaly.

Raha ny fanampim-panazavana azo dia mbola afaka mametraka fangatahana ny kandida mikasa hanafatra. Ho an’ny kandida , izay nanafatra angidimby 4 dia 2 aloha no avela ampidirina. Hojerena ny fahafahany manao ny fikojakojana ara-teknika sy ny fahazoana antoka ny sidina. Avela mampiditra fanampiny izy ireo raha maharaka ny fepetra, hoy hatrany ny tale jeneralin’ny ACM.

Mazava, araka izany, fa tsy sakana avy amin’ny Governemanta sy ny Fanjakana mihitsy no tsy nahatafidirana ny angidimby teto an-toerana hatramin’izay, fa noho ny fanapahana iraisan’ny minisitera nataon’ny Fitondrana teo aloha tamin’ny 2018.

Fermer