PolitikaSongadim-baovao

ZOTRAM-PIFIDIANANA : “Manaja ny safidin’ireo mpirotsa-kofidiana ny Ceni”

Mbola mitana ny sain’ny mpanara-baovao ankehitriny ny fihetsiketsehana ataon’ireo Kandida miisa 11 izay maneho tsy fankasitrahana sy tsy fatokisana ireo rafitra mpikarakara fifidianana, isan’izany ny Vaomieram-pirenena mahaleotena misahana ny fifidianana (Ceni), sy ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana (HCC). Ho an’ny Ceni manokana, nanomboka ny 18 Septambra 2023 teo no nahafahana nandray ireo Solontenan’ny Kandida izay mpikambana tsy maharitra eo anivon’ity rafitra ity, araka ny voafaritry ny Lalàna. Roa tamin’ireo Kandida 13 ihany anefa no efa nandefa solontena. Nanambara omaly ny Filoha lefitry ny Ceni, Andoniaina Andriamalazaray, fa tsy voatery io andron’ny 18 septambra io ihany no ahafahan’ireo kandida mandefa ny solontenany fa azo atao amin’ny andro rehetra. Ny lalàna ihany koa anefa, hoy izy, dia milaza fa “afaka manolotra solontena ireo kandida”, fa tsy hoe “tsy maintsy manolotra solontena”. Dikany, malalaka amin’izay safidiny ny kandida na handefa solontena na tsia. Ary manaja izay safidin’ny kandida mpirotsa-kofidiana ny Ceni. Tsara ho fantatra fa ny lalan-tsaina nametrahana an’io lalàna io, dia ny mba hisian’ny fifampitokisana eo amin’ny Ceni sy ireo Kandida, ialàna amin’ny ahiahy samihafa.

Mbola ao anatin’izay lalan-tsaina hametrahana fifampitokisana amin’ny firosoana amin’ny fifidianana izay ihany koa no antom-pisian’ireo sehatra ifanakalozana amin’ireo mpisehatra voakasika rehetra amin’ny fifidianana, izay efa nisy intelo miantoana, ary hiditra amin’ny andiany fahefatra.

Fermer