PolitikaSongadim-baovao
ZOTRAM-PIFIDIANANA: Mandika lalàna ireo kandida 10
Mazava ny voalazan’ny andininy faha-208 amin’ny Lalàna fehizoro laharana faha-2018/008 mikasika ny Fitondrana ankapoben’ny fifidianana sy ny fitsapakevi-bahoaka, fa ireo kandida amin’ny fifidianana ka manao fanambarana ampahibemaso manaratsy endrika ny sampandraharaha mikarakara fifidianana, na ny andrim-pitsarana, na manao tsindry amin’ireny rafitra ireny nefa mbola tsy manapakevitra akory ireny rafitra ireny, dia voailika tsy afaka hilatsaka.
Zary lasa mahazatra ny mpanao politika sasantsasany eto amintsika ny fanaovana tsindry sy ramatahora ireo rafitra mpikarakarana ny fifidianana sy ny andrim-pitsarana misahana ny fifidianana, dia ny Vaomieram-pirenena mahaleotena misahana ny fifidianana (Ceni) sy ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana. Hatreto, dia mbola ireo rafitra ireo no voalazan’ny lalàna fa manana andraikitra hikirakira ny raharaham-pifidianana eto Madagasikara. Ato anatin’izao firosoana amin’ny fifidianana Filoham-pirenena amin’ny 09 novambra izao anefa, nisesisesy ny fanambarana ataona “Kandida” izay tsy mahalala akory ny voalazan’ny lalàna, na koa minia tsy mahalala, fa dia tsy sasatry ny manejika sy ny manaratsy endrika ireo rafitra mpikarakara fifidianana ireo. Ohatra amin’izany ny taratasy izay nalefan’izy ireo teny amin’ny Ceni, ny datin’ny alatsinainy 11 Septambra 2023 teo, izay nanehoan’izy ireo ny tsy fatokisana intsony ireo mpikamban’ny HCC izay hamoaka ireo didy sy fanapahana rehetra mifandraika amin’ny raharaham-pifidianana. Fanambarana izay manaratsy endrika ity andrim-pitsarana ity, ary koa mahatonga fikorontanan-tsain’ny mpifidy, izay tokony hentanina handrotsa-bato.
Araka ny andininy faha-208 ao amin’ny Lalàna fehizoro laharana faha-2018/008 mikasika ny Fitondrana ankapoben’ny fifidianana sy ny fitsapakevi-bahoaka anefa, “Ireo olona rehetra izay manana andraikitra ambony sivily na miaramila eto amin’ny firenena ka milatsaka kandida amin’ny fifidianana, izay tsy mametra-pialana, dia voailika tsy afaka hilatsaka amin’ny fifidianana. Fa tsy afaka hilatsaka toy izany ihany koa ireo olona rehetra kandida amin’ny fifidianana ka manao fanambarana ampahibemaso manaratsy endrika ny sampandraharaha mikarakara fifidianana, na ny andrim-pitsarana, na manao tsindry amin’ireny rafitra ireny nefa mbola tsy manapakevitra akory ireny rafitra ireny”. Araka izany, azon’ny HCC atao tsara ny manilika ireo kandida tsy sasatry ny manao fanambarana manaratsy endrika ny HCC sy ny Ceni ireo. Azon’ny olom-pirenena atao rahateo ny manao fitoriana mifandraika amin’izany raha toa ka misy kandida hitan’izy ireo fa manao izany fandikan-dalàna izany.
Kandida tsy tapa-kevitra!
Mampametra-panontaniana ihany ny fihetsik’ireto kandida 10 manao fanambarana maneho tsy fahamatorana ara-kevitra sy ara-politika ireto. Tafiditra ao anatin’izany, i Marc Ravalomanana, Razafinjoelina Tahina, Andrianainarivelo Hajo Herivelona, Ratsiraka Iarovana Roland, Paraina Auguste Richard, Raobelina Andriamalala Andry Tsiverizo, Razafintsiandraofa Jean Brunelle, Rajaonarimampianina Rakotoarimanana Hery Martial, Ratsietison Jean-Jacques Jedidia, ary Randrianasoloniaiko Siteny Thierry. Nambaran’izy ireo mantsy fa tsy matoky intsony ireo mpikamban’ny HCC izy ireo. Etsy ankilany anefa, saika tonga navitrika avokoa ireo kandida na ny solontenany tamin’ny fisarihana ny laharana ao anatin’ny biletà tokana, izay manambara fahavononana ny hiroso amin’ny fifidianana, araka ny hitantanana azy ankehitriny. Tsy mazava, noho izany, ny tena tian’izy ireo hahatongavana, hany ka lasa ireo mpanara-baovao sy ireo olom-pirenena tokony handrotsa-bato amin’ny fifidianana indray no lasa miroaroa saina. Hanao fifidianana ve ireto kandida ireto sa tsia? Sa ny hisian’ny savorovoro mihitsy no tanjona satria tsy nandaitra ny teti-dratsy nanakanana ny kandida sasany tsy hirotsaka?
Governemanta miara-mitantana?
Raha jerena ny votoatin’ny taratasy nalefan’ireo kandida 10 ireto tany amin’ny Ceni, dia ny nanomezan’ny HCC ny fitantanana ny firenena ho an’ny Governemanta tarihin’ny Praiminisitra Ntsay Christian no ambaran’izy ireo fa fandikan-dalàna, ka tsy hanomezan’izy ireo fitokisana intsony ireo mpikamban’ity andrim-pitsarana ity. Efa nitondra fanazavana mahakasika an’io fanapahana io anefa ny Filohan’ny HCC, Florent Rakotoarisoa, ny alatsinainy teo, izay nanambara fa tonga tany amin’izy ireo ny taratasy fandavana ny andraikitra tokony horaisiny nataon’ny Filohan’ny Antenimierandoholona noho ny antony manokana. Izany hoe, tsy afaka ny handray ny toeran’ny Filoham-panjakana ny tenany. “Izahay dia tsy niantso azy na nanadihady azy, hoe inona no antony amin’ny maha hoe antony manokana azy… Ny zavatra fantatray dia hoe tsy azonay terena, na ny Lalàmpanorenana terena ny olona izay mametra-pialana na manao “renonciation” amin’ny zavatra izay omen’ny Lalàmpanorenana azy”, hoy ny fanazavana. Mba tsy hivoahana koa amin’ny lalàmpanorenana dia voalaza ao amin’ny andininy faha-52 fa raha misy tsy fahafahan’ny Filohan’ny Antenimierandoholona dia ny Governemanta no miara-mitantana ny firenena. “Raha vao miala amin’ny fiaraha-mitantan’ny Governemanta dia miala amin’ny Lalàmpanorenana isika”, hoy ny fanampim-panazavana nataony.



