Trangam-piaraha-monina

ZRPS ALPHA 2 FIANARANTSOA: Basy sy bala maro mahery vaika azo tao anatin’ny roa volana

Nahitam-bokany ihany koa ny ezaka fampandriana fahalemana ataon’ny ZRPS Alpha 2 ao amin’ny faritra Matsiatra Ambony. Tao anatin’ny roa volana izao, dia basy sy bala marobe no azon’izy ireo tamin’ireo mpanao ratsy isan-karazany, ary koa avy tamin’ny fanentanana natao tamin’ny vahoaka mbola mitazona ireny fitaovam-piadiana tsy nahazoana alalana ireny…

Nidera ny ezaka nataon’ireo miaramilan’ny Zone Rurale Prioritaire de Sécurité (ZRPS) miasa isam-paritra ny lehiben’ny Etamazaoron’ny Tafika malagasy, noho ny hafanam-po ananan’izy ireo, ka nahazoana vokatra hatrany, hampandry fahalemana ny any ambanivohitra lavitra. Tao anatin’ny roa volana monja, izany hoe ny volana septambra sy oktobra ity, basy sy bala maro no tafaverina avy tamin’ireo dahalo sy mpanao ratsy samihafa. Teo koa ny vokatra voaray avy tamin’ny alalan’ny fanentanana ny vahoaka izay mbola mitazona ireny fitaovam-piadiana tsy nahazoana alalana ireny. Basim-borona miisa fito, Mass-36 iray, basy lava vita gasy miisa 28, basy fohy vita gasy miisa 67, ary tranom-bala 7,62 miisa 15 no fantatra fa azon’izy ireo tao anatin’izay fotoana izay. Anisany fitaovam-piadiana mahery vaika ireo tafaverina tamin’ny mpitandro filaminana ireo, raha ny fantatra. Misy amin’izy ireo koa no ahitana basy taloha. Misy ny basim-borona voavoatra tanana, ary ireo bala dia fampiasan’ny mpitandro filaminana avokoa, raha ny nomarihan’ny lehiben’ny Etamazaoron’ny Tafika malagasy, Jeneraly Rabenaivoarivelo Jean Claude. Nohamafisin’ny tompon’andraikitra ity, fa « tsy maintsy hisy ny fanadihadiana lalina hatao mikasika ny fomba nivoahan’ireo fitaovam-piadiana mahery vaika an’ny mpitandro filaminana ireo ». Natolotra teny amin’ny Etamazaoron’ny tafika malagasy Andohalo ireo fitaovam-piadiana, omaly, ary noraisin’ny lehiben’ity tompon’andraikitra ity. Fantatra fa tsy maintsy handalo dingana vitsivitsy ireto fitaovam-piadiana nanaovana tatitra ireto, amin’ny fanamarinana sy fanolorana azy amin’ny sampan-draharaha eo anivon’ny Tafika malagasy misahana ny fitahirizana ireny fitaovam-piadiana tafaverina ireny. Raha ny mikasika ny nahazoana ireo fitaovam-piadiana tany amin’ny olon-tsotra, dia fantatra fa ireo tompon’andraiki-panjakana no mandray izany mivantana, ary atolotr’izy ireo ny miaramila, no izao natao tatitra aty ambony izao. Fantatra  ihany koa, fa tsy maintsy haseho am-pahibemaso ireo fitaovam-piadiana, toy izay efa nataon’ny ZRPS tany aloha. Faharoa amin’ny vokatra voarain’ny lehiben’ny Etamazaoron’ny Tafika izao nampahafantarina omaly izao, hatramin’izay naha lehiben’ny Etamazaoron’ny tafika azy izay.

Fanamby ny hanenana ny asan-dahalo…

Anisany baiko nomena ireo miaramilan’ny ZRPS  ny hanafoanana tanteraka ny basy eny am-pelatanan’ireo dahalo sy jiolahy samihafa. Tafiditra anatin’izany koa ny hampihena ny fitaovam-piadiana fampiasan’izy ireo, mba hahafahana mifehy ny tsy fandriam-pahalemana, fa  indrindra any amin’ireo faritra mena amin’ny asan-dahalo, izay tena mampikaikaika ny mponina. Nankasitraka ireo tompon’andraiki-panjakana izay anisany manampy betsaka ireo miaramila any an-toerana, ny lehiben’ny Etamazaoron’ny tafika, satria ny fiaraha-misalahan’ny mpitandro filaminana sy ny sivily no antoka hampanjaka fandriam-pahalemana amina faritra iray. Natoby eny amin’ny toby miaramila Capsat, ireo fitaovam-piadiana, mandra-pahavitan’ny dingana fanaterana azy ireo eny amin’ny sampan-draharaha eo anivon’ny tafika mitahiry ireny karazana fitaovam-piadiana ireny. aorian’izany kosa no hiverenan’ireo tompon’andraikitry ny ZRPS nanao ny tatitra, hamonjy ny toerana nanendrena azy hanatanterahany ny fampandriana fahalemana. Mbola am-perinasa avokoa ireo ZRPS manerana ny Nosy.

Fermer