Fanatanjahan-tenaSongadim-baovao

CHAN 2023: Tafita any amin’ny dingana manaraka ny Barea an’i Madagasikara

Nahavita dingana tsara ny Barea an'i Madagasikara tamin'ny fihodinana voalohany amin'ny fifanintsanana ho any amin'ny fiadiana ny amboaran'i Afrika (Chan 2023), hotontosaina any Algérie. Nahatafiditra baolina 4 ny ekipam-pirenena Malagasy, ary tsy nidiram-baolina tamin'ireo lalao roa natrehina.

Tafiakatra any amin’ny dingana faharoa sady farany amin’ny lalao fifanintsanana ho any amin’ny fiadiana izay ho tompondakan’i Afrika na ny Chan 2023, hotontosaina any Algérie, ny Barea an’i Madagasikara. Nandresy ny Piratin’i Seychelles tamin’ny isa 3 no ho 0 ny ekipam-pirenena Malagasy tamin’ny lalao miverina notontosaina tetsy amin’ny kianja Barea Mahamasina omaly. Hita tsara ny firaisankina teo amin’ny mpilalao Malagasy, vokany, vao 5 minitra nilalaovana dia efa nahatafiditra ny baolina  voalohany ho azy ny Malagasy, tamin’ny alalan’ilay lohalaharana Fanomezantsoa Tsilavina na i Drogba. Nanindry ny Barea teny ambony kianja, niezaka nitady baolina fanampiny tamin’ireo fanafihana tsara fa tsy nahitam-bokatra. Io isa tokana io araka izany  no nisarahan’ny ekipa roa tonta tamin’ny fizaram-potoana voalohany. Baolina tafiditr’i Rinjala teo amin’ny minitra faha-67, ny baolina faharoa ho an’ny Malagasy, Rinjala izay mpilalao mpisolo toerana sy vao nantsoina nanatevina ny Barea tamin’ity lalao miverina ity. Tany fe-potoana fanampiny, minitra faha-90+3 no nampiditra ny baolina fahatelo ho azy ny Barea tamin’ny alalan’i Drogba, ary io isa 3 io no nisarahan’ny roa tonta. « Niezaka nanaraka ny toromarika nomena azy ny mpilalao rehetra, ireny ny vokatra 3 no ho 0, na dia betsaka ary ireo baolina tokony ho tafiditra » hoy ny tenin’i Rôrô, mpanazatra ny Barea an’i Madagasikara, tamin’ny valan-dresaka nifanaovana taminy taorian’ny lalao.

Marihina fa, efa resin’i Barea an’i Madagasikara tamin’ny isa 1 no ho 0 ny Seychellois tamin’ny lalao mandroso, notontosaina tany Maorisy, 4 no ho 0 araka izany, ny fitambaran’ny isa tamin’ireo lalao roa.

Hihaona amin’i Botswana ny Barea

Ny ekipam-pirenen’i Botswana no hifandona amin’ny Barea an’i Madagasikara amin’ny dingana farany amin’ny lalao fifanintsanana ho any amin’ny Chan 2023 any Algérie. Hotanterahina ny 26 aogositra hatramin’ny 28 aogositra izao ny lalao mandroso, any Botswana, ary ny 2 septambra hatramin’ny 4 septambra 2022 ny lalao miverina, hatao aty Madagasikara. « Tsy mora ny mihaona amin’i Botswana, fa ny fanomanana hatrany no ahafahana mandresy azy ireo », hoy hatrany ny fanazavana nentin’ny mpanazatra. Miankina amin’ny toe-batan’ireo mpilalao ny lisitra ho an’ny lalao hihaonana amin’ny Botswana hoy hatrany ny fanazavany, ary hiroso avy hatrany amin’ny fanazarantena ny ekipa amin’ny herinandro. Tsara ho fantatra fa, ady sahala 0 no ho 0 ny fihaonana teo amin’ny Botswana sy Eswatini tamin’ny lalao mandroso, notontosaina tany Botswana. Ady sahala 2 no ho 2 ny lalao miverina, natao tatsy Afrika Atsimo omaly, noho i Eswatini tsy manana ny kianja manaraka ny fenitra takian’ny Federasiona iraisam-pirenena taranja baolina kitra. Na dia nirava sahala aza ny roa tonta, tafita ho any amin’ny fihodinana faharoa i Botswana noho ny baolina roa tafiditra tany an-tanin’i Eswatini.

Andiany fahafito ny  » Championnat d’Afrique des Nations » (Chan 2023), hotontosaina any Algérie. Fifaninanana karakarain’ny Kaonfederasiona Afrika taranja baolina kitra (CAF), ary natokana ho an’ireo mpilalao avy eto an-toerana ihany.

Fermer