PolitikaSongadim-baovao
FIFIDIANANA DEPIOTE SY BEN’NY TANANA: Tombanana hatao eo anelanelan’ny Marsa sy Jona 2024
Taorian’ny fifidianana Filoham-pirenena dia mitodika any amin’ny fifidianana Ben’ny tanàna sy ny mpanolontsain’ny tanàna, ary Solombavambahoaka indray ny sain’ny mpanara-baovao. Efa samy hifarana tsy ho ela avokoa mantsy ny fe-potoam-piasan’ireo, raha ny voafaritry ny lalàna. Nanambara omaly ny teo anivon’ny Vaomieram-pirenena mahaleotena misahana ny fifidianana (Ceni), fa tombanana ho eo anelanelan’ny volana marsa sy jona 2024 no hanatanterahana ireo fifidianana ireo.
Ny fepotoam-piasan’ny Ben’ny tanàna sy ny mpanolontsain’ny tanàna dia mifarana ny Janoary 2024, raha ny voalazan’ny lalàna. Noho izany, tokony ho efa nirosoana tamin’ny faran’ity taona ity ny fifidianana Ben’ny tanàna saingy nifanindry tamin’ny fifidianana Filoham-pirenena. Araka ny voafaritry ny Lalàna anefa, raha toa ka mifanotona amin’ny vanim-potoana iray ny fifidianana eo anivon’ny firenena sy ny fifidianana eny anivon’ny Faritra sy ny Vondrombahoaka itsinjaram-pahefana, dia omena lanja ny fifidianana Filoham-pirenena. “Izany indrindra no nahatonga ny Ceni tsy afaka namaritra ny vanin’andro hanaovana ny fifidianana eny anivon’ny Kaominina”, araka ny nambaran’ny Mpampakatenin’ny Vaomieram-pirenena mahaleotena misahana ny fifidianana (Ceni), Soava Andriamarotafika. Notsindrian’ity Tomponandraikitra ity fa taorian’ny famaritana ny vanin’andro hanaovana ny fifidianana Filoham-pirenena, izay tokony ho natao ny 20 desambra ny fihodinana faharoa, dia latsaka ao anatin’ny vanim-potoan’ny orana isika. Araka izany, mba ho fanajana ny lalàna ihany koa dia nihevitra ny Ceni fa tsy azo atao ny manao ny fifidianana raha tsy vita ny ranon’orana.
“Vita ranon’orana isika volana marsa any ho any. Ny fe-potoam-piasan’ny Solombavambahoaka koa hifarana volana jona, izany hoe, alohan’ny volana jona izany tokony hanaovana ireo fifidianana roa voalaza ireo”, hoy hatrany i Soava Andriamarotafika, Mpampakatenin’ny Ceni.
Lisi-pifidianana ho ampiasaina
Etsy ankilany, ny lalàna dia mamaritra ny fanatanterahana ny fanavaozana isan-taona ny lisitry ny mpifidy na ny “RALE”, manomboka ny 01 desambra ka hatramin’ny 15 mey. Na misy fifidianana na tsy misy fifidianana dia didin’ny lalàna ny fanaovan’ny Vaomieram-pirenena mahaleotena misahana ny fifidianana (Ceni) an’izany RALE izany, araka ny fanazavana. “Raha ohatra ka misy fifidianana mialohan’ny famaranana tanteraka ny fanavaozana ny lisitry ny mpifidy, dia tsy maintsy ny lisitra nampiasaina tamin’ny farany no miasa. Raha toa kosa ka aorian’ny fahavitan’ny RALE no mandeha ny fifidianana, dia ilay lisitry ny mpifidy nasiam-panavaozana iny no miasa”, hoy ny Mpampakatenin’ny Ceni.
Tsara ho fantatra fa ireo ankizy sy tanora feno taona taorian’ny fanavaozana tanteraka ny lisitry ny mpifidy (Refonte) no tokony hiditra ao anatin’ny lisitra amin’izao RALE izao. Eo koa ireo feno 18 taona hatramin’ny 15 mey. Ankoatra izay, ireo olona nifindra fonenana, sy ireo olona rehetra feno taona tsy tafiditra tao anatin’ny “Refonte” dia tokony hisoratana anarana ao anatin’ny lisitra avokoa. Any amin’ny volana feboary 2024 no famaranana vonjimaika io fanavaozana isan-taona io, ary ny tapaky ny volana Mey no hofaranana tanteraka.



