PolitikaSongadim-baovao

KAOMININA ANTANANARIVO RENIVOHITRA: Mitentina 79 miliara Ariary ny vinavina tetibola 2025

Mitentina 79 miliara Ariary no vinavinan’ny tetibolan’ny Kaominina Antananarivo Renivohitra (KAR) ho amin’ity taona 2025 ity. Natolotra holanian’ny Filan-kevitra Monisipaly (CM) izay miatrika fivoriana ara-potoana mandritra ny 10 andro izy io, mba hahafahana miasa amin’ity taona ity. Hanatsara ny fidiram-bolany ny Fiadidian’ny Tanàna, ka hatao mangarahara ny vola miditra rehetra. Hampafahantarana ny mponina ny fomba fiasa sy ny vola tokony aloan’ny mpandoa hetra ny KAR. Hampiasa ny fitaovana ara-kajy mirindra (digitalisation) ny KAR hanamorana ny fanaraha-maso ny vola miditra, ary havaozina ihany koa ny angon-toro (base de données). Raha ny firafitr’io tetibola io misy ireo vola izay tokony hiditra eo anivon’ny KAR, saingy noho ny antony maro dia tsy miditra ao izany, izay anisany nitondrana azy teo anivon’ny CM ka fanamby hahatsara tantana ny volan’ny KAR. Nomarihan’ny Ben’ny tanàna Ramanantsoa Harilala, fa mila ampahafantarina ny mpandoa hetra rehetara ny vola tokony haloany. Hisy ny fanentanana ho amin’izany, ka ny Ben’ny tanàna dia hametraka paikady mba ho fanatsarana ny tolotra omena ny mpandoa hetra. Hamoraina ihany koa ny fahafaha-mandoa izany mba tsy hampisy kolikoly ka hanaratsy endrika ny fitantanam-bolan’ny kaominina. Ny zava-baovao anatin’ny tetibola aroso holanian’ny CM io dia ny lafiny fitaterana, izay nahitana fanatsarana fa indrindra famerenana amin’ny ara-dalàna izay mety ho hetra tsy naloa aman-taona maro izay niteraka fahalovana. Apetraka araka izany, ny fepetra sy paikady ary ny lamina rehetra anatin’ny fandaminana izay lafiny fitaterana izay. Raha hiverenana, dia mitentina 40 miliara Ariary teo foana ny vola miditra amin’ny Kaominina Antananarivo Renivohitra, ka ny 30 miliara mahery elanelany io no atao fanamby hotratrarina tsy maintsy hiditra anatin’ny kitapombolan’ny Kaominina. Nampahafantarina ny CM tamin’ny ankoapobeny io tetibola io ary anatin’ny 10 andro dia hidinika ireo vaomiera isan-tsokajy. Nanome toky kosa ny Ben’ny tanàna, fa vonona hamaly ny fanontaniana mety hipetraka momba izany, na ny filàna fanampim-panazavana mikasika ny tetibola izay naroso teo anatrehan’izy ireo io. Nanomboka omaly 03 martsa ity fivoriana ara-potoan’ny Filan-kevitra Monisipaly entina handinihana ny tetibolan’ny KAR ity, izay notarihan’ny Filohan’ny CM, Ralitera Andriamparany.

Stan R.

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *

Fermer