SamihafaSongadim-baovaoSosialy

HAINO AMAN-JERY: Fepetra takin’ny lalàn’ny Hamehana ny “réquisition”

Niteraka resabe tato ho ato ny mbola fitohizan’ny fanaovana “réquisition” ho an’ireo haino aman-jery tsy miankina rehetra manerana an’I Madagasikara. Misy ireo haino aman-jery sasany no milaza fa fanohitohinana ny fahalalahana hiteny izany, ary tonga hatramin’ny hoe manararaotra ny fanagiazana ny haino aman-jery tsy miankina ny Fanjakana. Omaly, nitondra fanazavana momba izany ny minisitera tompon’andraikitra, izay nanamafy fa tsy fanohitohinana ny fahahalahana hiteny velively ny “réquisition”.

“Ny Minisiteran’ny Serasera sy ny Kolontsaina dia manamafy fa ny fanaovana ny « réquisition » ho an’ireo haino aman-jery tsy miankina rehetra manerana an’i Madagasikara dia fepetra takin’ny lalàna manan-kery, araka ny voalazan’ny andininy faha-7 ao amin’ny lalàna laharana faha-91-011 tamin’ny 18 Jolay 1991 mifehy ny hamehana eto amin’ny firenena”, io no fampitam-baovao navoakan’ny Minisisteran’ny Serasera sy ny Kolontsaina, tamin’ny alalan’ny Tale jeneralin’ny Serasera mpisolo toerana, Rakotondrasoava Fetra, omaly.

Ity fanaovana “requisition” ity izay mbola misy ankehitriny noho ny fitohizan’ny Hamehana ara-pahasalamana eto amin’ny tanin’ny Repoblikan’i Madagasikara mandritra ny 15 andro, araka ny didim-panjakana vaovao laharana faha- 2020-1270, tamin’ny 03 Oktobra 2020. Araka ity fanazavan’ny minisitera ity, ny “requisition” dia tsy midika velively fa tsy mahazo miteny izay tiany tenenina ny onjampeo sy fahitalavitra samihafa manerana an’i Madagasikara, fa kosa tsy maintsy mandefa ny fandaharana manokana itaterana ny vaovao ofisialy manodidina ny ady atao amin’ny valan’aretina COVID-19, indrindra ireo tarehimarika ofisialy. “Ny fitondram-panjakana, amin’ny alalan’ny Minisiteran’ny Serasera sy ny Kolontsaina, dia tsy manohintohina mihitsy ny fahalalahana hiteny ananan’ny haino aman-jery rehetra tsy ankanavaka, sy ny fahalalahana mitrandra-baovao”, hoy ny fanazavana. Na izany aza anefa, nilaza ny minisitera fa mampanaja ny lalàna amin’ny mbola fisian’ny hamehana ara-pahasalamana na « état d’urgence sanitaire » eto amin’ny tany sy ny firenena. Araka izany, nandiso ny filazan’ny haino aman-jery sasany fa manararaotra ny fanagiazana ny mpitondra miresaka raharaha politika ny tale jeneraly mpisolo toerana. Mikasika ny fepetra mifandraika amin’ny fivoaran’ny valan’aretina no resahin’ireo ministra tsirairay na koa tompon’andraikitra misahana izany. Tsy misy fanararaotana ataon’ny fanjakana amin’ny fanagiazana ny haino aman-jery fa fampiharana ny lalàna no atao.

Hisorohana ny fanakorontanana saim-bahoaka

Etsy ankilany, noho ny fahitana ny fivoaran’ny toe-draharaha, ny Ministeran’ny Serasera sy ny Kolontsaina dia efa nanalefaka ny fepetra noraisina ka nanambara fa efa azo atao ny fampidirina antso an-tariby mivantana handraisan’ny mpihaino anjara, saingy kosa ao anatin’ny fanajana tanteraka ny lalàna manan-kery no hanatontosana izany. Izany hoe, azon’ny haino aman-jery rehetra eto Madagasikara atao manomboka izao ny mamerina ny antso an-tarobia na ny fanehoan-kevitra ataon’ny olom-pirenena saingy tsy mivoana amin’ny voalazan’ny lalàna izany. Raha tsiahivina, fito volana teo ho eo izay no nipetraka teto amin’ny tanin’ny Repoblikan’ny Madagasikara ny Hamehana ara-pahasalamana ary niaraka tamin’izany koa ny fampihantonana ny fanehoan-kevitra ataon’ny olom-pirenena anaty onjam-peo.

“Mba hisorohana ny fanakorontanana saim-bahoaka sy ny fampielezana vaovao tsy marina no nahatonga ny fitondram-panjakana nandray ireny fepetra ireny. Amin’izao fotoana izao dia efa manomboka miverina amin’ny fiainana andavan’andro isika eto Madagasikara dia nandray fepetra ny fitondram-panjakana tamin’ny alalan’ny ministeran’ny serasera sy ny kolontsaina fa afaka miverina manao antso an-tarobia ireo haino aman-jery rehetra manomboka izao kanefa kosa dia tsy maintsy manaraka ny voalazan’ny lalàna fa mbola anatin’ny hamehana ara-pahasalamana isika eto Madagasikara », araka ny fampitam-baovao avy amin’ny minisitera hatrany.

Ankoatra izay, namafisin’ny minisitera fa mbola mitohy hatrany ny fampitan’ny haino aman-jery rehetra ny fandaharana izay miainga ao amin’ny fahitalavi-pirenena izay hampitana ny fivoaran’ny valan’aretina Covid-19. Tahaka izany koa ny fampitana ny valan-dresaka ataon’ny filoha isaky ny 15 andro.

Karatra maha-matihanina amin’ny asa fanaovan-gazety

Efa ela ny mpanao gazety no niandrandra ny mba hanana karatra maha matihanina. Efa telo taona lasa izay no tapitra ny fe-potoam-piasan’ny holafitry ny mpanao gazety ankehitriny. Ary efa fotoana izao tokony hananana holafitry ny mpanao gazety vaovao, hoy ny avy eo anivon’ny minisitera. Mba hahafahana miroso amin’ny fifidianana izay birao vaovao handrafitra indray ny holafitry ny mpanao gazety anefa, dia tokony hanana karatra maha matihanina avokoa aloha ireo tena matihanina amin’ny asa fanaovan-gazety. Niaiky ny teo anivon’ny minisitera fa efa ela loatra izay nisiana vanim-potoana tetezamita teo anivon’ny Holafitra izay. Tsiahivina fa ny 01 Septambra teo no nanomboka nanankery ny lalàna laharana 2020-006 izay mifehy ny serasera amin’ny Haino Vaky Jery. Rehefa manomboka mihatra eto amin’ny tanin’ny Repoblikan’I Madagasikara io lalàna io dia tsy maintsy hampifanarahana amin’izay, ilay “arrêté” na didim-pitondrana, izay manangana ilay vaomiera isasahana amin’ny fanomezana ny karatra maha matihanina ny mpanao gazety. “Satria efa manan-kery ny lalàna vaovao mifehy ny Serasera dia natao “mise à jour” mifanaraka amin’izany koa ilay “arrêté” noraisina mahakasika ny fananganana ny vaomiera isasahana”, hoy ny Tale jeneralin’ny Serasera mpisolo toerana. Araka ny fanazavana, efa eo am-pamaranana izay fampifanarahana ny lalàna vaovao sy ilay didim-pitondrana izay ny minisitera ankehitriny. Tanjona ny hahafahan’ny mpanao gazety misitraka aingana ny karatra maha matihanina satria ilaina amin’ny andavanandron’ny mpanao gazety izany fa tsy amin’ny fifidianana holafitra irery ihany.

Fermer