PolitikaSongadim-baovao

FIFIDIANANA LOHOLONA: Manohana ny kandida IRD ireo mpifidy vaventy TIM

Ho setrin’ny tsindry nataon’ireo lohandohan’ny mpisorona ao amin’ny Antoko TIM ho an’ireo ben’ny tanàna sy mpanolontsaina lany tamin’izany antoko izany, mahakasika ny tokony tsy handraisana anjara amin’ny fifidianana Loholona, nisy nilaza ireo ben’ny tanàna sy mpanolotsaina TIM ny faran’ny herinandro teo fa handray anjara amin’ny fifidianana, ary vonona hanohana ny kandida miara-dalana amin’ny Fitondrana mba hisian’ny fampandrosoana marina.

Aoka izay ny adilahy politika tsy mitondra mankany amin’ny fampandrosoana”. Io no lalan-tsaina nentin’ireo Ben’ny tanàna voafidy teto amin’ny faritanin’Antananarivo, izay anisan’ireo tsy kandidam-panjakana tamin’ny fifidianana kaominaly farany teo. Izy ireo izay nisafidy ny hiara-dalana indray amin’ny Fitondram-panjakana manomboka izao, ary hatomboka amin’ity fifidianana Loholona amin’ny 11 Desambra ho avy izao ity izany fiarahamiasa izany. Antoko Politika maromaro no nivondrona niara-nanao ity fanambarana ity, nisy tsy miankina, nisy Malagasy Miara-Miainga (MMM), ary nisongadina ireo avy amin’ny Antoko Tiako I Madagasikara (TIM). Hatramin’ny herinandro teo, maherin’ny 75 ireo ben’ny tanàna niara-nandray izao fanapahan-kevitra izao, ampian’ireo mpanolontsain’ny tanàna izay miara-miasa amin’izy ireo avy, izay tsy voaisa.

“Izahay dia mahatsapa fa tany Demokratika I Madagasikara, ka tokony hajaina ny safidy sy ny fanehoan-kevitry ny tsirairay”, hoy Randrianomenjanahary Laza, Ben’ny tanàna Kaominina Mandrosoa, Distrikan’Andramasina. Ny Antenimierandoholona, hoy izy, no Andrimpanjakana faharoa eto amin’ny tanin’ny Repoblikan’i Madagasikara. Izy no misolo tena ny Vondrombahoakam-paritra itsinjarampahefana. Mbola io andrimpanjakana io ihany koa no misolo tena ireo fikambanana ara-tsosialy sy ara-toekarena. Nentiny nilazana fa zavadehibe ny fandraisana anjara amin’ny fifidianana izay handrafitra indray ity Andrimpanjakana ity.

Ny adilahy politika, hoy izy, tsy mitondra mankany amin’ny fampandrosoana ny firenena, ary manimba ny fiarahamonina eny ifotony. Noho izany, miandrandra fampandrosoana izay entin’ny Fitondram-panjakana ankehitriny ireto ben’ny tanàna ireto mba hipaka any amin’ny Kaominina tsirairay misy azy ireo avy, sy ny vahoaka eny ifotony.

Hikatsaka fampandrosoana marina

Araka ny fanazavan-dRakotonindrina Haja Arthur, Ben’ny tanànan’Androvakely, Distrikan’Anjozorobe, noho ireo antony ireo, vonona izy ireo hanatanteraka ny adidiny, ary tonga hifidy ireo Loholona handrafitra ny Antenimierandoholona, ny zoma 11 Desambra 2020 ho avy izao. “Hitandro toy ny anakandriamaso ny fihavanana izahay ka hanaja ny safidin’ny tsirairay. Hikatsaka hatrany ny soa iombonana sy ny fampandrosoana ny Kaominina misy anay tsirairay avy. Noho izany, miantso ireo Vondron-kery tsy an-kanavaka misy eto amin’ny firenena izahay, mba hifanome tanana ho fampandrosoana an’I Madagasikara”.

Etoana koa izahay dia manao antso avo amin’ny mpifidy vaventy rehetra namana, na mpanolotsaina na ben’ny tanàna, na lany tamin’ny antoko na lany tamin’ny tsy miankina, na mpanohitra na mpanohana ny fitondrana, mba ho tonga hanatevina izao hetsika ataonay izao ka hanolo-tanana ny fitondram-panjakana izay tarihin’ny Filoha Andry Rajoelina, ka hiray hina ho fampandrosoana an’I Madagasikara”, hoy hatrany fanambarany. Eo anatrehan’izany, ny kandida miaraka amin’ny fitondram-panjakana no ho tohanan’ireto vondrona ben’ny tanàna sy mpanolontsaina ireto. Notsindrian’ireo ben’ny tanàna ireo fa tsy nisy teritery na tambiny manokana handrasan’izy ireo amin’izao fihetsika ataon’izy ireo izao, ankoatran’ny fampandrosoana ny Kaominina misy azy ireo tsirairay avy. Efa izany rahateo ny veliranon’ny Filoha amin’ny hoe tsy hisy intsony faritra na distrika ho adino amin’ny asa fampandrosoana.

Fermer