Songadim-baovao

FIARAHA-MIASA AMIN’NY SIANTIFIKA : Mandray anjara mavitrika amin’ny fampandrosoana ny CIRAD

Tafiditra ao anatin’ny Fandaharanasan’ny « FoodSec Semence » eo anivon’ny Departemanta fikarohan’ny FOFIFA ny fanolorana ny fotodrafitrasa nohavaozina, ny herinandro lasa teo, tetsy Ambatobe. Manamarika ny fanamafisam-piaraha-miasa eo amin’i Madagasikara sy ireo mpiara-miombona antoka ara-teknika sy ara-bola koa ny fahavitan’ny fanavaozana ny fotodrafitrasa, dia ny Vondrona Eoropeanina, ny Komisiona eto amin’ny Ranomasimbe Indianina ary ny CIRAD…

Isan’ireo manampy amin’ny Politikam-panjakana ny Cirad.

Tafiditra ao anatin’ny Fandaharanasan’ny « FoodSec Semence » eo anivon’ny Departemanta fikarohan’ny FOFIFA ny fanolorana ny fotodrafitrasa nohavaozina, ny herinandro lasa teo. Manamarika ny fanamafisam-piaraha-miasa eo amin’i Madagasikara sy ireo mpiara-miombona antoka ara-teknika sy ara-bola  koa ny fahavitan’ny fanavaozana ny fotodrafitrasa, dia ny Vondrona Eoropeanina, ny Komisiona eto amin’ny Ranomasimbe Indianina – COI ary ny CIRAD « Centre de Coopération Internationale en Recherche Agronomique pour le Développement ». Mifanitsy tanteraka  amin’ny velirano faha-9 ny Filoha Andry Rajoelina, amin’ny fampiroboroboana ny sehatry ny fambolena, hanatrarana ny tanjona amin’ny fahaleovantena ara-tsakafo ny asa notanterahina. Havadika asa ny velirano izay natao, ka manana anjara asa goavana amin’izany ny FOFIFA. Manamarika ny fanomezan’i Madagasikara lanja ny fikarohana momba ny fampivoarana ny fambolena sy ny tontolo ambanivohitra ary koa ny fiaraha-miasa ara-tsiantifika misy eo amin’i Madagasikara sy Frantsa, ho amin’ny sehatry ny fampandrosoana ny fitokanana natao, hoy ny avy eo anivon’ny Cirad na ny « Centre de Coopération Internationale en Recherche Agronomique pour le Développement ». Orinasam-panjakana frantsay ny Cirad, eo ambany fiahian’ny minisiteran’i Eoropa sy ny Raharaham-bahiny ary ny minisitera misahana ny fampianarana ambony sy ny fikaroham-pivoarana. Manome lanja ny Fambolena mikajy ny tontolo iainana maharitra, ary koa ny hanatsarana ny fikajiana ara-tsakafo, hikojakojana ny faritany hambolena ; ireo angovo natoraly azo havaozina, indrindra ny ala. Nasongadina fa drafitra iarahan’ireo Ivon-toeram-pikarohana ara-tsiantsa ambony, toy ny Oniversite, Fikambanana iraisampirenena ary ireo mpisehatra amin’ny fampandrosoana samihafa, isan’izany ny Fiarahamonim-pirenena, fikambanana eny amin’ny tontolo ambanivohitra, izay miara-misalahy.

Fampandrosoana sy ny politikam-panjakana

Ilaina hatrany ny fiaraha-miasa eo amin’ny mpanohana ara-teknika sy ny Fanjakana.

Ankoatra izay, mandray anjara akaiky  miaraka amin’ny fikambanana maro ho an’ny fampandrosoana sy ny Politikam-panjakana ny CIRAD, toy ny vondrom-pifandraisana iraisam-paritra ho fanatsarana ny kalitaon’ny fahasalamana, fananantany, aretin’ny biby sy ny maro  hafa. Mpikaroka lahy sy vavy manodidina ny 20, araka izany, no tonga sy voatendry hiasa maharitra hanampy an’i Madagasikara hanatontosa ny asa. Manampahaizana manokana amin’ny sokajy maro izy ireo. Isan’izany ny avy amin’ny tontolon’ny fambolena, ny ala, ny mpitsabo biby, jeografy, mpahay fiarahamonina sy ny maro hafa. Miara-miasa ao anaty Drafi-pandaharana iarahana amin’ny FOFIFA,  ny Oniversiten’Antananarivo, ny DPV, ny Fifamanor, Africa Rice, ary ny IRD, manatontosa mba hahazoana fifanakalozana traikefa ho an’ny fitantanana mahomby. Isan’izany ny fikajiana ny ala…

Miompana tanteraka amin’ny fiofanana ho an’ny fikarohana sy ireo mpikaroka manokana manao tohan-kevitra eny amin’ny ambaratonga ambony, toy ny Masters ny CIRAD. Mandray anjara amin’ny fampiofanana tanora maro eny amin’ny Oniversite. Ireo tetikasan’ny CIRAD sy ireo mpiara-miasa aminy, dia vatsian’ny Vondrona eoropeanina, Banky iraisam-pirenena, Vondrona afrikanina, MAE Frantsay, AFD vola.  Ny taona 2021 sy 2022 no efa nanaovan-tsonia tetikasa eoropeanina goavana telo. Isan’ireny ny famokarana masomboly (Foodsec-Semence), ny fiovaovan’ny toetr’andro sy ny fambolena mikajy tontolo iainana ary ny fampivoarana ny tontolon’ny fambolena (Makis). Andalana koa ny tetikasa eoropeanina momba ny arina fandrehitra (tetikasa Diabe). Goavana koa ny fandraisana anjaran’ny CIRAD eo amin’ny tetikasa fampandrosoana eto an-toerana sy ny fandalinana ara-toekarena ahafaha-mampihatra ny fambolena mikajy ny tontolo iainana amin’ny isan-tokantrano. Isan’ireo mpiara-miombona antoka ara-teknika ry zareo eo anivon’ny CIRAD, amin’ny fanatontosana ireo tetikasa maro. Misy, araka izany, ireo manampahaizana tonga eto manampy amin’ny fanatontosana ireo tetikasa, toy ny fambolena mangahazo, ovy, katsaka… Eny tafiditra hatramin’ny fambolen-kazo sy ny fiarovana ny tontolo iainana mihitsy aza. Ny eo anivon’ny CIRAD no miezaka mifehy, amin’ny alalan’ireo mpikaroka avy ao amin’izy ireo, mitondra ny traikefa, amin’ny fanatsarana sy ny fampitomboana ireo voly, ary manatsara hatrany ny fomba fambolen’ireo tantsaha.

Fermer