KolontsainaSongadim-baovao

SAMBANY TEO AMIN’NY TANTARA…: Nahazo kianja avy amin’ny Fitondram-panjakana ny mpanao Hiragasy

Miisa 52 ireo tarika voarakitra ao anatin’ny federasion’ny mpihiragasy eto Madagasikara, saingy heverina ho mbola mihoatra lavitra noho izany ireo tarika misy manerana ny Nosy. Natolotra azy ireo maimaimpoana omaly ny kianja voalohany avy amin’ny Fitondram-panjakana malagasy. Hisy isa-kerinandro, manomboka amin’ny alahady izao, ny ady hiragasy tanterahina ao amin’io kianja vaovao ao Ampefiloha io.

An’olona tsy miankina hatrany ireo toerana malaza fanaovana hiragasy teto Antananarivo fahiny. Rehefa nanakatom-baravarana izy ireo dia tsy nanana toerana afaka niseharana intsony ireo tarika nandritra ny vanim-potoana lava. Nangina vokatr’izany ny tontolon’ny hiragasy teto an-drenivohitra. Tsy nitazam-potsiny tamin’izao fa nikarakara, namelo-maso, ary nandray an-tanana ny fampivoarana ny sehatry ny kolontsaina amin’ny ankapobeny mihitsy ny Fitondram-panjakana mijoro ankehitriny; amin’ny alalan’ny Ministeran’ny Serasera sy ny Kolontsaina. Samy nahazo ny anjarany avokoa rehefa mpisehatra ao anatin’izay zavakanto sy kolontsaina izay. Anjaran’ireo mpiangaly ny hiragasy indray ankehitriny no nisitraka tantsoroka avy amin’ny Fitondram-panjakana. “Tao anatin’ny efa-taona sy tapany dia tsy tambo isaina ireo fotodrafitrasa natsangan’ny Ministeran’ny Serasera sy ny Kolontsaina”, hoy ny nambaran’ny Minisitra tompon’andraikitra, Lalatiana Rakotondrazafy. Mbola nohazavainy ihany koa fa nametraka ny kolontsaina tamin’ny toerana maha izy azy hatrany ny Filoha Andry Rajoelina. “Mbola tsy namiratra tahaka izao ny kolontsaina malagasy raha tsy tamin’izay naha Filoha anao izay”, hoy hatrany izy. Notolorana kianja vaovao fanaovana fampisehoana mahazaka hatramin’ny 700 olona, araka izany, ireo mpanao hiragasy eto Madagasikara. Omaly no nanaovana ny fitokanana tamin’ny fomba ofisialy ny “Kianja Hiragasy” eo Ampefiloha-Antananarivo.

Sambany teo amin’ny tantaran’i Madagasikara no nisy Fitondram-panjakana nanorina kianja ho an’ireo mpanao hiragasy. Reharehan’ireo tompon’andraikitra ny fahavitany satria izy no fotodrafitrasa goavana fahadimy an’ny Minisiteran’ny Serasera sy ny Kolontsaina, notokanana tato anatin’ny telo volana monja izao. Mampamirapiratra an’i Madagasikara hatrany ivelany, mampiroborobo ny kolontsaina sy ny fizahantany, ary indrindra mipaka hatrany amin’ny toekarena ny fisian’ity kianja ity. “Ao anatin’ny fanasongadiana ny Kanto ny fanaovana hiragasy ka mendrika omena ny sehatra sy ny  toerana sahaza azy ny mpanao hiragasy. Ela ny ela, tonga ity ny fotoana… Mila apetraka sy omena sehatrra misy azy ny kolontsaina malagasy ary izay no antony indrindra namelomantsika ny tantara… Izao kianja izao dia tena ilain’ireo mpanao hiragasy”, hoy ny nambaran’ny Filoha Andry Rajoelina tao anatin’ny lahateniny rehefa nitokana ny kianja izy.

Marihina fa fiaraha-miasa avy amin’ny sehatra tsy miankina, ny vondrona “Henri Fraise”, no nahafahana nametraka ny Kianjan’ny Hiragasy. Tsy misy hofany ny fampiasain’ireo tarika mpanao hiragasy azy saingy ny kojakoja sy ny fanadiovana kosa no andraisan’izy ireo anjara. Manomboka anio ny fandraisana ny lisitr’ireo tarika maniry ny hisehatra ao amin’ny kianja. Isaky ny alahady dia hisy hatrany ny ady hiragasy izay hanasana ny besinimaro. Ankoatra ny kianja, nahorina tsy lavitra eo ihany koa ny birao ampiasain’ny federasiona sy ny efitra roa natao ho fihomanan’ireo mpanao hiragasy. Nanentana ny rehetra mba hahay hanana sy hanaja hatrany ny fotodrafitrasa iombonana ny Minisitra tompon’andraikitra

Valiny andrasana hatramin’ny faran’ny taona 2023

Niroso tamin’ny fangatahana ny hiragasy ho isan’ireo harem-bakoka ara-tsain’ny zanak’olombelona na ny “patrimoine culturel immateriél de l’humanité” ny Ministeran’ny Serasera sy ny Kolontsaina, taorian’ny fankatoavana ny Kabary malagasy tamin’ny taona 2021. Raha ny fanazavana, ny volana aprily taona 2022 no nitondra ny antotataratasy rehetra fangatahana mahakasika izany, teo anivon’ny Unesco tany Paris, ny Minisitra Lalatiana Rakontondrazafy. Handrasana hatramin’ny faran’ity taona ity, araka izany, ny valin’io fangataha io. «Midika ihany koa izany fa mamiratra, tsy eto Madagasikara fotsiny ihany fa maneran-tany ny kolontsaintsika », hoy hatrany ny fanehoan-kevitra.

Tsiahivina fa miisa dimy hatreto ny harem-bakok’i Madagasikara voarakitra any amin’ny Unesco. Harem-bakoka iraisam-pirenena azo tsapain-tanana ny telo: ny Tsingin’i Bemaraha, ny aty ala Atsinanana, ary ny ivotoerana koltoraly Ambohimanga Rova. Miisa roa kosa ireo harem-bakoka iraisam-pirenena tsy azo tsapain-tanana dia ny fahaiza-manao Zafimaniry sy ny Kabary malagasy izany. Antenaina fa hanampy isa azy ireo tsy ho ela ny hiragasy.

Sarobidy Sidonie.

Fermer