Songadim-baovao

Ady amin’ny kere any Atsimo : Hitondra fanantenana ho an’ny mponina ny fahavitan’ny fitarihan-drano

Tafiditra ao anatin’ny tetibola, amin’ny taona 2022 ny momba ny fanatanterahana ireo tetikasa any Atsimo. Nambaran’ny kestora voalohany, ny solombavambahoaka Henri Jean-Michel fa hitondra fanantenana ho an’ny mponina ny fahavitan’ny fitarihan-drano, iadiana amin’ny kere sy ny tsy fanjarian-tsakafo any an-toerana. Fanadihadiana…

Ny kestora voalohany, Henri Jean-Michel nitondra ny fanazavana.

Ny famatsiana rano any Atsimo, dia mazava tsara ny politika napetraky ny Filoha Andry Rajoelina momba ny fanatanterahana ireo tetikasa momba ny famatsiana rano. Nasongadin’ny Kestora voalohany eo anivon’ny Antenimierampirenena, Henri Jean-Michel omaly, teny Tsimbazaza fa « tamin’ny fanendrena ny mpikamban’ny governemanta farany teo, dia ny minisitry ny Rano, minisitra avy any Atsimo, izay midika fahavononan’ny Filoha hamaha io olana io ». Nasongadiny fa ny veliranon’ny Filohan’ny Repoblika, ny hanala ny Faritra Atsimo iny, ao anatin’ny haintany sy ny kere. Ny zava-misy amin’izao fotoana izao,  ny tetibolam-panjakana entina hanatanterahina ireo tetikasa any Atsimo ireo, dia tafiditra ao anatin’ny tetibola, amin’ny taona 2022. Mazava, araka izany, fa hotanterahina ary ho tanteraka avokoa, izay tetikasa rehetra ho atao any Atsimo, izay tapaka tao anatin’ny governemanta. Tafiditra ao anatin’izany, ny fitarihan-drano avy any Efaho hatrany Androy. Hentitra ny kestora voalohany nilaza, fa tsy tokony hisy ny mampisalasala ny vahoaka amin’izany, fa efa ao ny vola, izay mampisy fanantenana. Ny solombavambahoaka teo anivon’ny Antenimierampirenena dia niray hevitra, tamin’ny fandaniana iny tetibola iny, ka nahatonga ny tsy fanisiana fanitsiana na fanovana satria miombon-kevitra amin’ny Filoham-pirenena ny solombavambahoaka, dia ny hanavotana ny any Atsimo. Nisaoran’ny kestora voalohany, ny depiote Jean Michel ireo solombavambahoaka rehetra nandany iny volavolan-dalàna  mikasika ny tetibolam-panjakana iny. Zava-dehibe ho an’ny fanavotana ny any Atsimo ny fahalanian’iny tetibola iny, dia ny fanavotana ny fahazoan-drano satria ny rano dia aina. Ankoatra ny maha zava-dehibe ny rano, natao hambolena koa any amin’ny Faritra Androy. Hisy  fambolena ateraky ny fitarihan-drano any amin’ny Faritra Atsimo, avy any Efaho iny. Hisy koa ny toerana fisotroan-drano ho an’ny biby fiompy.  Ny faritra any Atsimo dia tsy vitan’ny mpamboly ihany fa mpiompy koa.

Mahasoa ho an’ny vahoaka…

Azo antoka ny hahafoana ny tsy fahampian-drano aty Atsimo.

Nambaran’ny Praiminisitra, Ntsay Christian nandritra ny fandalovany tany  amin’ny distrikan’Ambovombe fa “ny governemanta, eo ambany fitarihin’ny Filohan’ny Repoblika dia mijery hatrany ny mahasoa ny vahoaka manerana an’i Madagasikara, ary maro ireo ezaka atao hampirindra ny fanampiana omena ny vahoaka.” Ho fanatanterahana ny vinan’ny Filoha, Andry Rajoelina, ny amin’ny tokony hanovana ny fomba fiasa manoloana ny ady atao amin’ny tsy fanjarian-tsakafo, dia “forage” na lavadrano anarivony no hapetraka sy haorina, ao anatin’ny fotoana fohy, amin’iny Faritra Androy, Anôsy, ary Atsimo Andrefana iny. Tetikasa ifandrimbonan’ny Minisiteran’ny Rano, ny Fanadiovana sy ny Fidiovana sy ny Minisiteran’ny Fambolena, ny Fiompiana ary ny Jono ny fanatanterahana azy. Tanjona ny ho famatsiana rano fisotro madio, indrindra hanampiana ireo tantsaha ho fampiroboroboana ny fambolena sy ny fiompiana. Efa eo am-pandinihana koa ny hitrandrahana ireo renirano manodidina ireo Faritra ireo, mba hitovy ny famatsiana amin’ny distrika tsirairay avy.

Hanondraka velarantany 3000 ha mahery…

 

Hitondra ainga vao ho an’ny Faritra Atsimo ny fahazoan-drano.

Itondrana fanamboarana ireo fotodrafitrasa ilain’ny mponina, ka hampivoarana ny Faritra Atsimo Andrefana iny. Laharam-pahamehana, araka izany, ny fitadiavana vahaolana amin’ny famatsian-drano. Tsy natao ho fisotro ihany fa hampiroboroboana ny fambolena sy ny fiompiana ka hanamora ny fiharian’ny mponina ary hiadiana amin’ny tsy fanjarian-tsakafo. Eo  koa ny fanorenana sy fanamboarana ireo fotodrafitrasa fototra, toy ny sekoly, ny toeram-pitsaboana, ny lalana ary ireo tranom-panjakana isan-tsokajiny. Araka izany, apetraka ao Benenitra ny tohodrano amin’ny reniranon’i Sakamarey, izay hanondraka velarantany 3 000 hektara. Notolorana fanampiana ara-tsakafo ireo kaominina tratry ny kere, nomena masomboly ireo tantsaha. Ankoatra izay, lalana mirefy 1 km ao an-tampon-tanàna no hatao rarivato. Hisy ny fanorenana kianja fanatanjahantena marolafy, hisitraka rano fisotro madio ny mponina, ary hametrahana biraon’ny Kaomisaria koa ao Benenitra,…

Fermer