PolitikaSongadim-baovao

FITANTANAN-DRAHARAHAM-PANJAKANA: Governora mpisolo toerana roa notendrena, nesorina ny Governoran’Itasy sy Vatovavy

Nanamarika ny Filàn-kevitry ny Minisitra omaly ny fanendrena ireo Governora mpisolo toerana miisa roa, hisahana ny Faritra Ihorombe sy Atsinanana. Ny tena tomponandraikitra tamin’ ireo Faritra roa ireo izay samy nirotsa-kofidiana Solombavambahoaka avokoa ka voatery nametra-pialana. Governora roa hafa ihany koa anefa, tetsy ankilany, no nesorina tamin’ny toerany, dia ny Governoran’ny Faritra Itasy sy ny ao amin’ny Faritra Vatovavy.

Araka ny rijan-teny ao amin’ny andininy faha-6 andalana faha-5 amin’ny Lalàna fehizoro laharana faha 2018-008 tamin’ny 11 mey 2018 mikasika ny fitsipika ankapobe mifehy ny fifidianana sy ny fitsapan-kevi-bahoaka, sy ny andininy faha-16 amin’ny Lalàna fehizoro laharana faha 2018-010 tamin’ny 11 mey 2018 mikasika ny fifidianana solombavambahoaka eo anivon’ny Antenimieram-pirenena : “ Ny olona rehetra, na mpiasam-panjakàna na tsia, misahana asam-panjakana ambony amin’ny sehatra sivily na miaramila, dia tsy maintsy mametra-pialana manomboka amin’ny daty nankatoavana ny filatsahankofidiany”. Nohamafisin’ny teo anivon’ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana fa io rijan-tenin-dalàna io dia mihatra amin’ireo olona notendrena tamin’ny alalan’ny didim-panjakana nolaniana teo anivon’ny filan-kevitry ny minisitra na ny filan-kevitry ny Governemanta ka manana ny laharana tale no ho miakatra ao anatin’ny ministera. Anisan’izany ny Governora.

Raha ny lisitra ofisialy navoakan’ny Vaomieram-pirenena mahaleotena misahana ny fifidianana (Ceni), dia Kandidà, lisitra faharoan’ny Vovonana “Isika rehetra miaraka amin’i Andry Rajoelina – IRMAR” ao amin’ny Distrikan’i Toamasina I ny Governoran’ny Faritra Atsinanana teo aloha, Rafidison Richard, ary tsy maintsy nametra-pialana. Toy izany koa ny Governoran’Ihorombe teo aloha, Ramatoa Clarisse Manjary izay Kandidàn’ny vovonana IRMAR ao amin’ny Distrikan’Ivohibe. Ny Filàn-kevitry ny Minisitra omaly, araka izany, no nanendry ny mpisolo toerana azy ireo avy, ka voatendry ho Governora mpisolo toerana ao Atsinanana i Bemahefa Gervais, raha toa kosa ka i Rakotondrasoa Annie Franckline no Governora mpisolo toerana ao Ihorombe.

Tombana

Tetsy ankilany, nanamarika ny Filankevitry ny Minisitra omaly ny nanesorana ny Governoran’ny Faritra Itasy sy Vatovavy tamin’ny toerany, dia ny Jeneraly Andriamanana Maherizo sy ny Dr Randriarison Maurice Lucien. Marihina fa toy ireo olom-panjakana ambony rehetra dia misy tombana atao amin’ireo Governora, araka ny efa nambaran’ny Filohan’ny Repoblika ombieny ombieny. Vao tamin’ny herinandro lasa teo ny Filoha Andry Rajoelina no nilaza, raha tsiahivina, fa mila tomponandraikitra miasa ny Fitondrana izay tarihiny. Anisan’ny novakiany Bantsilana tamin’izany ny Governoran’ny Faritra Analanjirofo izay nolazainy fa tsy nahavita, araka ny tokony ho izy ny iraka nampanaovina azy, indrindra raha mitaha amin’ireo Faritra hafa. Kanefa, Analanjirofo dia anisan’ny manana tanjaka hahafahana mampivoatra ny Faritra. Tombanan’ny maro, araka izany, fa mbola ao anatin’izay lalan-tsain’ny fanaovana tombana izay no anton’izao fanesorana izao.

Manampy trotraka ihany koa moa ny fitarainana samihafa sy antsoantso efa nataon’ny vahoaka sy ny Depiote amin’ny afitsok’ireo Governora sasantsasany, raha tsy hilaza afatsy ity tao Itasy ity. Efa imbetsaka ny Solombavambahoakan’i Miarinarivo, Fetra Rakotondrasoa, no efa namaky bantsilana sy nampaneno lakolosy mikasika ny tsy fetezana nataon’ny Governoran’Itasy. Anisan’ny voaresaka ny tsy fisian’ny fifampihainoana teo amin’ity tomponandraikitra ity sy ireo olom-boafidy solontenam-bahoaka. Teo koa ny resaka fitantanana tsy mazava sy tsy fahavitana ireo asa tokony ho laharam-pahamehana toy ny fanamboaran-dalana.

Mbola mipetraka ho banga eo aloha, araka izany, ireo toerana roa ireo mandrapanendry izay ho Governora vaovao.

Fermer