PolitikaSongadim-baovao

HAZAKAZAKA HO ENY TSIMBAZAZA: Maneho ny tanjany ireo Kandidà IRMAR, mitohy ny ady an-tranon’ny Mpanohitra

Miroso ny zotram-pifidianana Solombavambahoaka. Mandeha ny fanontana ireo Biletà tokana any Afrika Atsimo. Mitohy hatrany koa ny fanaovana hetsika fampahafantarana ny tenany ataon’ireo mpirotsa-kofidiana, indrindra ho an’ireo Kandidàn’ny volomboasary.  

Mbola tsy misy lalàna mifehy azy ny fampielezan-kevitra mialohan’ny fotoana eto amintsika. Hatreto, dia afaka manao hetsika sy kabary fampahafantarana ny tenany ireo kandidà tsirairay, ankoatra ny miteny hoe “Fidio aho”, na ny manentana vahoaka tsy hifidy kandidà hafa. Raha ny zava-misy ankehitriny no jerena dia tena anatin’ny tanjany sy ny heriny tanteraka ireo Kandidà natolotry ny Vovonana “Isika rehetra miaraka amin’i Andry Rajoelina”, manerana ireo fari-piadidiam-pifidianana maro. Tsikaritra izany amin’ireo famoriam-bahoaka sy fitsidihana kaominina ataon’ireo Kandidà, raha tsy hilaza afatsy ny Kandidà IRMAR ao amin’ny Distrikan’i Faratsiho, Ramatoa Lalatiana Rakotondrazafy, izay miara-miasa feno amin’ireo Ben’ny tanàna mandrafitra ny Distrika. Toy izany ihany koa ny Kandidà IRMAR ao Ambositra, Ramatoa Haingo Nambinina, izay mahavory vahoaka maro hatrany amin’ireo toerana alehany. Tsy latsa-danja amin’ireo ny Kandidàn’ny Volomboasary ao Miarinarivo, Fetra Rakotondrasoa izay efa nanomana ny fifidianana am-bolana maro ary manana herijika ambony hibata ny fandresena. Ho an’ny eto Antananarivo manokana dia vao omaly ny Kandidà an’Atsimondrano Andry Ratsivahiny, notronin’ireo Birao politikan’ny IRMAR no nanao fampisehoan-kery teny Atsimondrano teny. Tokana ny tarigetra dia hahazoana ny maro an’isa eny amin’ny Antenimieram-pirenena.

Paikady sa ady an-trano?

Etsy ankilany, manana an’izay tarigetra izay ihany koa ny Mpanohitra, dia hoe ny hahazoana ny maro an’isa eny Tsimbazaza. Fanontaniana mipetraka ny hoe “tena amin’izao endrika asehon’ny mpanohitra izao tokoa ve no hahazoana izany maro an’isa izany?”. Tsiahivina tokoa mantsy fa mbola vao tany amin’ny fananganana Vovonana fotsiny aza dia efa niseho lany ny tsy fitovian-kevitra, ka nahateraka ny Vovonana Firaisankina ahitana ny Antoko Tim, Pro-Siteny, HVM, APM, ary Tsara Tahafina, sy ny Vovonana Kolektifan’ny Malagasy, ahitana ny ARB, MMM, MTS, FTT, ary ny FMI Malagasy. Mitohy hatrany io ady an-trano io, ary voaporofo indray izany tamin’ny fandrotsahana antontan-taratasy firotsahan-kofidiana, satria na ireo samy ao amin’ny Antoko TIM aza ohatra dia tsy mitovy hevitra tamin’ireo kandidà ho arotsaka. Ho an’ny ao amin’ny Boriborintany fahefatra eto Antananarivo izao, dia Rina Randriamasinoro, Sekretera Jeneralin’ny TIM no narotsaky ny Vovonana Firaisankina, kanefa lasa nirotsaka amin’ny anaran’ny mahaleotena koa ny Depiote Tim am-perinasa ankehitriny Emilien Ramboasalama. Iza àry izany no hofidian’ny mpikatroka TIM? Misy kisarisary toy izany koa hita ao Toliara I, izay nandrotsahan’ny Vovonana Firaisankina an’i Siteny Randrianasoloniaiko ho Kandidà, kanefa ny Mpitarika ny KMMR Rabe Jules koa dia nirotsaka amin’ny anaran’ny mahaleotena. Ampahany ihany ireo fa mbola maro ny toy izany.

Manohy ny asany ny Ceni…

Ho an’ny eo anivon’ny Vaomieram-pirenena mahaleotena misahana ny fifidianana (Ceni), dia mbola ny fanontana ny Biletà tokana aloha hatreto no asa sahanina, izay kendrena ho vita mialohan’ny hanombohan’ny fampielezan-kevitra, raha ny fanazavana. Raha toa kosa ka misy tsy fahavitan’ny fanontana amin’ny fotoana hanombohan’ny fampielezan-kevitra, dia hisy famoahana biletà manokana misy ny sary sy laharan’ireo kandidà, izay ho ampiasain’ireto farany amin’ny fampielezan-kevitra, na ilay antsoina hoe “Specimen”. Tsara ho fantatra fa ny Fandaharanasan’ny Firenena mikambana ho an’ny fampandrosoana (Pnud) no nisafidy ny toerana nanaovana ny fanontana ny Biletà. Ary vola avy tao anatin’ny “Basket Fund” no nampiasaina amin’ny fanontana, araka ny fanadihadiana.

Fermer