PolitikaSongadim-baovaoToekarena

DINIKA IARAHAN’NY FANJAKANA AMIN’NY FMI : Hatramin’ny 660 Tapitrisa dolara ny vola mety ho azo ho an’ireo Fandaharanasa roa

Noraisin’ny Filohan’ny Repoblika, Andry Rajoelina sy ireo mpikambana eo anivon’ny Governemanta ny delegasionin’ny Tahirim-bola iraisampirenena, omaly tetsy amin’ny Lapam-panjakana Iavoloha. Nodinihina nandritra ny fihaonana ny hametrahana indray ny fandaharanasa FEC sy ny FRD. Mifanindran-dalana amin’ny Politika ankapoben’ny Fanjakana ireo fandaharanasa roa  nifampidinihina tamin’ny Tahirim-bola iraisampirenena….

Nandray ny delegasionin’ny Tahirim-bola iraisam-pirenena (FMI) izay notarihin’i Frédéric Lambert, ny Filohan’ny Repoblika, Andry Rajoelina sy ireo mpikambana eo anivon’ny  Governemanta omaly, tetsy amin’ny Lapam-panjakana Iavoloha. Nifampiresahana nandritra izao fihaonana izao ny hametrahana indray ny fandaharanasa « Facilité Elargie de Crédit » na ny (FEC) sy ny « Facilité pour la Résilience et la Durabilité » na ny (FRD). Ity Fandaharanasa FEC vaovao ity dia mifanindran-dalana amin’ny Politika Ankapoben’ny Fanjakana satria miompana amin’ny fahamarinan-  ara-bola sy ny fitantanam-bola, ny fitomboana ara-toekarena, ny fampiroboroboana ny maha-olona, ny fiahiana ara-sosialy ary ny fitantanan-draharaham-panjakana. Ny FRD kosa, dia fandaharanasa vaovao hanohana ny fahafaha-miatriky ny Firenena manoloana ny fiovaovan’ny toetrandro. Mbola hitohy hatramin’ny 3 mey 2024 ho avy izao ny dian’ireto delegasionin’ny  Tahirim-bola iraisampirenena FMI ireto, izay hanohizany ny fifampiresahana amin’ny mpikambana eo anivon’ny Governemanta ny hahafahan’i Madagasikara misitraka ireo fandaharanasa roa ireo.

Mitovy ny tanjona ho an’ny roa tonta, ny hanatrarana ireo vina napetrak’i Madagasikara, izay narafitra anatin’ny Politika ankapoben’ny Fanjakana ary mifanindran-dalana tanteraka amin’ny FEC vaovao. Toa izany koa ny fandaharanasa vaovao FRD. Miankina amin’ny fifampidinihana tanterahin’ny roa tonta no hahazoan’i Madagasikara ny famatsiam-bola. Tombanana any amin’ny 660 tapitrisa dolara ny vola mety ho azo ho an’ireo Fandaharanasa roa ireo. Ny FEC farany teo anefa, dia nahatratra 312 tapitrisa dolara, izany hoe, manatombo avo roa heny.

Fec vaovao haharitra 36 volana…

I Madagasikara dia nangataka ilay famatsiam-bola « Facilité pour la Résilience et la Durabilité » na FRD. Ity FRD ity, dia tsy mbola azo angatahina raha tsy mbola manana fandaharam-potoana maharitra 18 volana ny Fanjakana. Ny Fec teo aloha anefa, efa tsy maharitra satria tapitra tamin’ny efa-bolana voalohan’ity taona ity. I Madagasikara nanan-tsafidy, ny hanao Fec vaovao, izay maharitra 36 volana, miaraka amin’ilay Fandaharanasa FRD. Tiana hotsindriana fa ny FRD dia tsy afa-mandeha irery, fa tsy maintsy miaraka amin’ny fandaharanasa « Facilité Elargie de Crédit » na FEC. Antony iray nisian’ny fifandresen-dahatra eo amin’ny roa tonta izany, izay haharitra hatramin’ny 3 mey hoavy izao. Tsy mbola afa-miteny ny avy amin’ny Fitondram-panjakana, momba ny vokatry ny fifampiresahan’ny roa tonta. Aorian’ny famaranana ny fihaonana vao afa-mampita ny vokatry ny fifampidinihina ny avy amin’ny Fitondram-panjakana malagasy. Nankasitraka manokana ny Tahirim-bola iraisampirenena sy ireo iraka manokana, izay notarihan’i Frédérid Lambert, ny Filoha Andry Rajoelina amin’ny fahavononana hatrany hanohana ny fampandrosoana entina, ho an’ny vahoaka sy ny Firenena malagasy.

Rado Harivelo

Fermer