PolitikaSongadim-baovao

FIHAONANA AN-TAMPONY  TAO KENYA – IDA 21: Niantso ny hampitomboana ny fanohanana ireo Firenena marefo ny Filoha

Nisantatra ny kabary nanombohana ny fihaonana tao Kenya omaly, ny Sekreteran’ny kabinetra miadidy ny Tahirim-bola sy ny fandaharanasa ara-toekaren’i Kenya, ny Pr Njuguna Ngund’u. Nisongadina tao anatin’ny kabariny ny fiantsoana ireo firenena mpamatsy volan’ny Banky Iraisam-pirenena, ny hanohanan’izy ireo ny tetikasa hanomezana tosika ireo seha-pihariana maro. Niantso ireo mpamatsy volan’ny Banky iraisam-pirenena kosa ny Filoha Andry Rajoelina, mba hampitombo ny famatsiam-bola ho an’ny ady amin’ny tsy fanjarin-tsakafo sy ny fahantrana…

Nivoitra tao anatin’ny kabarin’ny Filoha Andry Rajoelina, nandritra ny fihaonana an-tampony anatiny  « IDA » ( Association de développement international), omaly tao Kenya, ny antso fanamafisana ny tokony hanampiana hatrany ireo Firenena Afrikanina, mba hahafahan’izy ireo misitraka ny fampandrosoana amin’ireo Firenena mpamatsy vola ny Banky Iraisam-pirenena, amin’ny alalan’ny IDA.  Mba hahafahan’ny IDA manampy ny mponina amin’ireo Firenena Afrikanina, izay isan’ny tena ianjadian’ny vokatry ny fiovaovan’ny toetr’andro. « Ho an’i Madagasikara manokana, miseho amin’ny alalan’ireo rivodoza, izay mihamaro ary mihamafy hatrany izany », hoy ny Filoha Andry Rajoelina. Notsiahiviny tao anatin’izany ny rivo-doza Gamane, izay nandravarava ny tapany avaratry ny Nosy.

Ankoatra ny rivo-doza, olana sedrain’i Madagasikara koa ny haintany, izay mianjady any Atsimo ka miteraka ny tsy fanjarian-tsakafo. « Fa ny tena ady iray lehibe atrehan’i Afrika, dia ny ady amin’ny fahantrana izay ilana famatsim-bola betsaka », hoy ny Filoha. Ny ady amin’ny tsy fanjarian-tsakafo, izay miantraika mivantana amin’ny zaza miisa 216 Tapitrisa eto Afrika. Eo anatrehan’izany, mila vahaolana maharitra », hoy ny Filoha. Niantso ireo mpamatsy volan’ny Banky iraisam-pirenena izy nandritra ny kabariny, mba hampitombo ny famatsiam-bola ho an’ny ady amin’ny tsy fanjarin-tsakafo sy ny fahantrana ny Filoha Andry Rajoelina.

Nihena 38% ny tsy fanjarian-tsakafo mitarazoka

Ankoatra izay, notsiahivin’ny Filoha ireo ezaka efa nataon’i Madagasikara hatramin’ny nitondrany ny Firenena, tamin’ireo vokatsoa noraisin’i Madagasikara. Anisan’izany ny fampihenana ny tahan’ny tsy fanjarian-tsakafo mitarazoka, izay nihena hatramin’ny 38% raha 42% izany, tamin’ny taona 2018.  Izany hoe, talohan’ny nandraisany ny Fitondrana. Raha mitohy noho izany ny ezaka dia ho foana ny tsy fanjarian-tsakafo mitarazoka afaka 20 na 30 taona. Tao anatin’izany koa dia 2 Tapitrisa ny olona nisitraka tohana ara-pahasalamana sy tohana ara-tsakafo. Ankoatra izay, ireo fotodrafitrasa namboarina.  4500 ireo « sites communautaires » naorina. Ain’olona maro koa no avotra noho ny fampiasam-bola tamin’ny fanatsarana ny fitsaboana, ny haraton’aina sy ny tosika ara-bola ho fanampiana ireo mila izany. Ireo tetikasa ireo dia nisitrahan’ny olona 5,2 Tapitrisa Isa ka vehivavy ny 75%.

« Na izany aza dia mbola mila famatsiam-bola betsaka i Madagasikara entina hanatrarana ny fahataran’ny fampandrosoana an-taonany maro », hoy hatrany ny Filoha. Anisan’izany ny fanampiana amin’ny fanohizana ny tetikasa entina hanomezana angovo ny vahoaka malagasy. I Madagasikara dia efa nametraka tetikasa hanomezana herinaratra madio sy natao ho an’ny rehetra, amin’ny alalan’ny tetikasa « Hazavana ho anao », mba hahafahan’ny tokantrano miisa 4 Tapitrisa misitraka hazavana maimampoana, afaka herintaona sy tapany. Tsara marihina amintsika fa ity Fihaonana an-tampon’ny IDA atao eto Nairobi – Kenya ity dia fihaonana sy antso fanangonam-bola amin’ny mpamatsy volan’ny Banky Iraisam-pirenena hamatsiana ny fandaharanasan’ny IDA amin’ny IDA 21. Ny IDA dia rafitra iray ao anatin’ny vondron’ny Banky Iraisam-pirenena. Hevitra nitovizan’ny ankamaroan’ireo Filoham-panjakana nandray fitenenana ny fangatahana tamin’ny Banky iraisam-pirenena ny hamatsiana ara-bola ny sehatry ny famokarana herinaratra, izay nangatahana mba ho mora ny fisitrahana azy. Nitovizan’ny filohan’i Mauritanie, sady filohan’ny Vondrona Afrikanina, Mohamed Ould Cheikh El Ghazouani sy ny Filoha Andry Rajoelina izany. Nambarany fa mitovy hevitra amin’ny filoha, Rajoelina Andry amin’ny fitakiana fanohanana misimisy kokoa ny famokarana angovo.

Rado Harivelo

Fermer