PolitikaSongadim-baovao

FANATANTERAHANA NY FIFIDIANANA: Rafitra iraisam-pirenena maro vonona hanome tan-tsoroka ny Ceni

Mizotra araka ny tokony ho izy hatreto ny fanomanan’i Madagasikara ny fifidianana amin’ity taona ity. Anisan’ny adihevitra napetraky ny mpisehatra politika sasantsasany, ao anatin’ny firosoantsika amin’ny fifidianana, ny momba ny tetibola hanatanterahana izany. Ahita vola hahafahany manatanteraka ny fifidianana ve ny Vaomieram-pirenena mahaleotena misahana ny fifidianana ? Ampy ve ny sora-bola mipetraka ao anatin’ny tetibolam-panjakana ? Hisy ihany ve ny fanohanana ara-bola sy ara-teknika mety ho azo amin’ireo mpiara-miombona antoka ? Omaly, nilaza ny mpampaka tenin’ny Ceni, Soava Andriamarotafika fa tsy tokony hiteraka adihevitra ny momba ny lafiny tetibola hanaovana fifidianana. Azo atao, hoy izy, ny lahatra ny Fitondram-panjakana amin’ny fampitomboana ny tetibola hanatanterahana ny fifidianana amin’izao ankatoky ny fanomanana izao. Mbola azo atao ny miady hevitra an’izany mandritra ny fivoriana ara-potoana faharoan’ny Parlemanta amin’ny volana mey izao, izay handaniana ny tetibolam-panjakana nasiam-panitsiana na ny LFR 2023.

Ankoatra izay, nilaza ny Mpampaka tenin’ny Ceni fa efa maro ireo Rafitra iraisam-pirenena sy mpiara-miombona antoka amin’i Madagasikara no nilaza ny hanao tan-tsoroka ny Ceni amin’ny fanatanterahana ny fifidianana. « Izay tsy tratra amin’ny tetibolan’ny Fitondram-panjakana dia heverinay fa zon’i Madagasikara feno mandresy lahatra ny sehatra iraisam-pirenena satria mpikambana feno ao anatin’ireny rafitra iraisam-pirenena ireny isika », hoy hatrany ny fanazavana. Fantatra fa efa misy ny soritsoritr’asa sy lamina hifampitondrana eny anivon’ireny rantsana iraisam-pirenena ireny, ary tsy tokony hisy olana ny fitakiana ny zo indrindra ny tetikasa amin’ny fanatanterahana ny fifidianana. Raha ny fanazavana, tsy niandry ny fitenenan’ny Ceni akory izy ireny dia efa nangataka fihaonana tamin’izy ireo. Isan’izany ny Firenena mikambana amin’ny alalan’ny fandaharanasan’ny fampandrosoana na ny Pnud, teo koa ny vondrona Eoropeana, na ny vondrona Afrikana, na ny vondron-tany SADC, na ireo firenena miaraka miasa amin’i Madagasikara toy ny Frantsay sy ny Japoney, izay efa samy naneho ny fahavononany avokoa.

Famaritana ny datim-pifidianana

Ankilany, manodidina ny 62% ireo olom-pirenena tonga nisoratra anarana anaty lisitry ny mpifidy amin’izao andro vitsy tsy hahataperan’ny fanisana mpifidy izao. Izany hoe manodidina ny 8.500.000 any ho any manoloana ny tanjona izay nofaritana 13.500.000, antontan’isa farany hatramin’ny 10 janoary hariva, araka ny nambaran’ny mpampaka tenin’ny Ceni. Marihina fa hampahafantarina mialohan’ny fotoana farany voatondron’ny Lalàmpanorenana ny daty hanatanterahana ny fifidianana. Mamaritra ihany koa ny Lalàmpanorenana fa tsy tokony hotanterahana ao anatin’ny fotoanan’ny fahavaratra ny fifidianana. Nilaza ny mpampaka tenin’ny Ceni fa eritreretina ho vita alohan’ny faran’ny taona ny fifidianana Filoham-pirenena izay tombanana hisy fihodinana indroa, ary ny faha-19 janoary 2024 dia efa tokona manao ny fihanihanany ny Filoha izay lany indray hitantana an’i Madagasikara.

« Maro ny zavatra vohizin’ireo mpisehatra politika sasany eto Madagasikara. Mety ho ireny olona miteny ireny no tsy vonona amin’ny fifidianana. Raha ny tokony ho izy, raha antoko politika mijoro sy manana fikasana hirotsaka hofidiana dia mandavan-taona izy tokony hiomana sy efa vonona handray fitondrana foana. Tsy voatery hiandry ny Ceni hanambara ny tetiandrom-pifidianana 3 volana mialoha araka izany izy ireo vao hikoropaka », hoy i Soava Andriamarotafika, mpampaka teny eo anivon’ny Ceni.

Heriniaina S. (Mpianatra asa)

Fermer