Fanadihadiana Manokana

FARITRA ATSIMO ANDREFANA : Mandrindra ny fandriampahalemana ny fisian’ny « Dinabe »

Taorian’ny fivorian’ny OMC Atsimo Andrefana, nidina ifotony tany amin’ny tanànan’i Befandriana Atsimo sy Antanimeva izy ireo, herinandro lasa teo. Tomponandraikitra isan-tokony no tonga nifampitafa nivantana tamin’ireo Dinabe, sy ny solontenam-pokonolona any an-toerana nanamafy ny fahavononana amin’ny fiaraha-miasa, isian’ny fandriampahalemana maharitra. Fanadihadiana…

Ireo mpikambana avy amin’ny Dinabe hanatrika fivoriana.

Nampikolay ny vahoaka any amin’ny Faritra Atsimo Andrefana iny, ny lafiny tsy fandriampahalemana, indrindra ny tany amin’ny distrikan’i Morombe. Nisy ny fidinana ifotony nataon’ireo tomponandraiki-panjakana sy ny vovonana iadian’ny lohany, amin’ireo mpitandro filaminana, nahitana ny Tafika, Zandary, ny polisy tao Befandriana Atsimo sy tao Antanimeva, ny herinandro lasa teo. Nanambara ny Governoran’ny Faritra Atsimo Andrefana, ny Dr Edally Ranoelson Tovondrainy, nandritra ny lahateniny, rehefa nihaona tamin’ny solontenam-pokonolona fa « nanapa-kevitra izahay rehetra nivory, toy ny avy any amin’ny Faritra, distrika, ny avy amin’ny Tafika malagasy, ny Zandarimariam-pirenena, ny Polisim-pirenena fa hohamafisina ny resaka » Dinabe », izay efa misy ary hampitombo firaisan-kina, eo amin’ny mpitandro filaminana sy ny Dinabe ».

Manampy ireo ny filazana ny amin’ny firosoana amin’ny « mini opération », izay mbola mandeha amin’izao fotoana izao. Nanambara ny Kaomandin’ny fari-piadidian’ny Zandarimaria ao Toliara, ny Jly Razafindrakoto Serge Hermelan fa « ilaina ny firaisan-kinan’ny rehetra amin’ny famerenana ny fandriampahalemana maharitra any amin’ny distrikan’i Morombe. Tahaka ny manao trano io, ka misy ny manao fototra, ny sasany manao ny rindrina, ny hafa manao ny tafo. Dia tahaka izay koa ny lafiny fandriampahalemana ». Nanteriny fa tomponandraikitra ny fandriampahalemana ny mpitandro filaminana, saingy manana  ny andraikiny avy ny rehetra. Notsindriany manokana ireo ray aman-dreny. « Ireo olona mangalatra ireo, dia manana ny ray aman-dreniny, ka manana andraikitra ianareo, hiteny azy ireo ».

Nisy ny fivoriana niarahana tamin’ireo eny ifotony.

 Tsy hisian’ny tsindry…

Nanantitrantitra ny Kaomandin’ny fari-piadidian’ny Zandarimaria ao Toliara, ny amin’ny maha zava-dehibe ny « Dinabe ». Nohazavainy fa voafaritra ao anatin’ny  lalàna 2001/004, andininy fahafolo milaza fa ny « Dina » mifameno ny asan’ny mpitandro filaminana. Ny dina fifampifehezana, ka ho an’izay mandika azy dia sazin’ny dina, amin’ny alalan’ny fandoavana vono dina na « manavagna ». Ny asan’ny mpitandro fiaminana dia manao famotorana ary mitondra azy any amin’ny Fitsarana. Ao no hijerena azy amin’ny maha tomponandraikitra azy amin’ny sazy hataony. Ny fisian’izay roa izay, no manamaivana ny asan’ny Fitsarana. Ny dina sy ny asan’ny mpitandro filaminana, zava-droa loha mifameno fa tsy mifanipaka. Rehefa tena miasa ny « Dinabe », maivana ny asan’ny mpitandro filaminana. Raha mitoetra tsara izay, rava ho azy ny kolikoly,  raha ny fanampim-panazavana.

Ny Kly Rajohnson Elien midinika amin’ireo mpiray Dina.

Nanambara kosa, ny Raiamandreny solontenan’ny Dinabe, fa « vonona ny hifanome tanana miaraka amin’ny mpitandro filaminana ». Mangataka kosa, izy ireo ny tsy hisian’ny tsindritsindry avy amin’ireo tomponandraikitra ambony, amin’ireo olon-dratsy. Izay no antony mahatonga ny avy eny ifotony hiraviravy tanana. Ekena fa tsy manana galona ireo mpikamban’ny Dinabe, ka antony mahatonga azy ireo,  mangataka ny hisian’ny tan-tsoroka avy amin’ny Fitondram-panjakana.

 

Efa nisy sahady ny vokatra azon’ny ZRPS sy ny Zandarimariam-pirenena tany amin’ny distrikan’i Morombe. Raha ny vaovao omaly, tazomina ao amin’ny borigadin’Antanandava, ireo olona telo nahatrarana omby miisa 15 tsy nahitana taratasy. Ireo olona ireo dia ahina ho namono olona maro tany amin’ny distrikan’i Morombe. Olana, vao voasambotra ireo olona ireo, dia misy sahady ny tsindritsindry avy amin’ireo tomponandraikitra ambony, maneritery ny Zandary sy ny miaramila hamotsotra ireo olona voasambotra ireo. Mampitandrina ary mampandre ny Fitondrana malagasy ireo avy amin’ny Dinabe, fa ny olon-dratsy, izay manjaka any amin’ny Faritra Atsimo Andrefana, dia misy olom-boafidy iray tambajotra miaro azy ireo. Nambaran’i Branco Nantenaina filohan’ny Dinabe any an-toerana fa « tsy maintsy miaro ny Faritra Atsimo Andrefana izy ireo, amin’ireo tsy fandriampahalemana ».

FANDRIAMPAHALEMANA : Mitana andraikitra goavana ny fandraisana anjara ny eny ifotony

Ireo Polisim-bohitra nahazo fiofanana.

Ho an’ny Faritra Ihorombe, manana andraikitra goavana ny fandraisana anjara ny olona avy eny ifotony. Ny zoma 7 aogositra lasa teo,  ny famoahana tamin’ny fomba ofisialy ireo « kartie mobily » na Polisim-bohitra miisa 1770 ao anatin’ny Faritra Ihorombe. Nahatratra  1443 avy ami’ny distrikan’i Ihosy, 138 distrikan’ Iakora, raha 189 ny distrikan’Ivohibe. Nanome voninahitra izany ireo manampahefana tao an-toerana, toy ny Prefe, ny Lehiben’ny Faritra, Ny Tonia mpampanoa, ny Kaomandin’ny Vondron-tobim-paritry ny Zandary, ny ben’ny Tanàna sy ny maro hafa.  Ny fanofanana dia natao teny anivon’ny renivohitry ny Kaominina miisa 31, ao anatin’ny Faritra, izay naharitra hadimiana. Nanome tanana izany ny Zandarimaria, ny Mpitsabo, ny Mpitsabo biby, ny Ben’ny Tanàna, ny teknisianina isan-tokony. Tanjona ny fampandraisana andraikitra an-tsitrapo ireo mpiray faritra, hitondra ny anjara birikiny amin’ny fampandriana fahalemana, fandrindràna ny fiarahamonina, fiarovana ny tontolo iainana, sy ny lafiny maro, izay mety ilàna azy ireo. Nisy ny fianianana nataon’ireo Polisim-bohitra narahina fizarana « certificat » manamarika ny fahavitan’ny fiofanana ary nofaranana tamin’ny matso ny lanonana. Ireo Polisim-bohitra ireo  no solontenan’ny mpitandro filaminana any ifotony, ary mandray anjara mavitrika amin’ny rafi-piarovan-tena isan-tanàna. Tanora lahy nilatsaka an-tsitrapo 18 ka hatramin’ny 50 taona izy ireo, ary monina ao an-toerana na koa natolotry ny Komitin’ny fandriampahalemana.

Manana andraikitra manokana…

Ireo Polisim-bohitra ireo, araka izany, dia tomponandraikitra tanteraka amin’ny fandriampahalemana ao amin’ny faritra iadidiany. Raha misy ny fanarahan-dia amin’ireo mpangalatr’omby, mila mahafantatra amin’ny antsipiriany ny kizo na ireo toerana fieren’ny mpangalatr’omby. Isan’ny andraikitra sahanin’ireo « kartie mobily » ireo, ny fisavana ny boky sy pasipaoron’omby.  Manamarina sy misava ny kara-panondrom-pirenen’ireo olona mivezivezy. Mandray fepetra rehetra ilaina eo amin’ny fitondrana ireo olona izay manohintohina ny filaminam-bahoaka, eo anatrehan’ny manampahefana sivily na miaramila mahefa. Manara-maso ny fampiharana ny dina na ireo fifanarahana, izay tsy mifanohitra amin’ny lalàna manankery. Raha sendra heloka bevava na heloka tsotra mitranga, dia anjaran’izy ireo no misambotra ireo olon-dratsy ary manatitra izany any amin’ireo manampahefana tomponandraikitra.

Ireo mpiray « Dina » eny ifotony mandrindra ny fandriampahalemana.

Manana fanamiana manokana ireo Polisim-bohitra ireo, izay omen’ny ben’ny Tanàna na ny tomponandraiki-panjakana ka ny minisitry ny Atitany sy ny fitsinjaram-pahefana no mamaritra ny modely, amin’ny alalan’ny fankatoavan’ny minisitry ny Foloalindahy, ny Sekreteram-panjakana miadidy ny Zandarimariam-pirenena ary ny minisitry ny Filaminam-bahoaka. Azon’izy ireo atao ny mampiasa fitaovam-piadiana eo am-pelatanany, raha sendra ny toe-javatra tsy azo anoharana na fanafihana tsy voatohitra. Na izany aza,  tsy maintsy tafiditra ao anatin’ny fepetra, amin’ny fampiharana ny andininy 327 -328 -329 ao amin’ny fehezan-dalàna famaizana izany.

Tags
Fermer