Fanadihadiana ManokanaToekarena

FIOMPIANA OMBY SY ONDRY AMAN’OSY Tombony ho an’ireo tantsaha ao Atsimon’ny Nosy ny fisian’ny tetikasa « CASEF »

Malaza amin’ny fiompiana ondry aman’osy ny ao amin’ny faritra Anosy sy Androy, izay fantatra ankehitriny fa efa miha lany tamingana sy miharatsy taranaka. Ny fiompana koa dia azo sokajiana ho fihariana tsotra sy mora atao, kanefa, maro tombontsoa noho izy haingam-pitombo eo amin’ny biby, ary fotoana fohy dia manaranaka betsaka. Anisany nampivoatra tantsaha maro ao Atsimon’ny Nosy, araka izany, ny fisian’ny tetikasa CASEF…

Ny ankamaroan’ny mponina ao an-toerana dia mivelona amin’io seha-pihariana omby sy ondry aman’osy io avokoa. Manoloana ny zava-misy vokatry ny fahasimban’ny toetrandro anefa, izay miteraka faharatsian’ny vokatra azo avy amin’ireo biby fiompy, ny Fitondram-panjakana amin’ny alalan’ny minisiteran’ny Fambolena sy ny fiompiana (MINAE) sy ny tetiksa CASEF, izay vatsian’ny Banky iraisam-pirenena vola, dia mitondra fampivoarana sy fampiroboroboana ny lalam-pihariana omby sy ondry aman’osy any Atsimo. Atao laharam-pahamehana, araka izany, ny fanatsarana ny taranaky ny biby mba hahazoana hena tsara sy afaka jifain’ny tsena anatiny na ivelany. Tolo-draharaham-pamokarana maro no entin’ny tetikasa, araka izany, hahafahana mampandroso ny faritra atsimo, izay nolazoin’ny hain-tany hatramin’izay. Amin’izao fotoana, fantatra fa mampandroso ny rojom-pihariana « hena mena » ao Atsimon’ny Nosy ny fisian’io tetikasa io. Sehatra roa kosa, no tanterahin’ny tetikasa, dia ny fifanarahana iarahana amin’ny Fitaleavana momba ny fiompiana (DGE), ary ny tetikasa mipàka mivantana amin’ny tantsaha manatanteraka ny asa. Manao ny tohana ara-teknika omen’ny tetikasa ity, any atsimon’ny Nosy, toy ny fanampiana fitaovam-pamokarana sy hanam-pamokarana. Isan’izany ny fananganana fotodrafitrsa sy fanampiana fahaiza-manao ho an’ny fikambanan’ny tantsaha, ary ny tohana ho an’ireo mpandraharaha eo amin’ny fitadiavana lalam-barotra

Manampy betsaka amin’ny fahatsaran’ny kalitaon’ny vokatra fiompiana ao an-toerana ny tetikasa CASEF

Sakafom-biby tsara no miteraka hena tsara…

Amin’ny ankapobeny, ny fanatsarana ny sakafom-biby, ny fanatsarana ny fahasalaman’ny biby, ary ny tohana amin’ny fitantanana ny fiompiana no iseharan’ny tetikasa. Ankoatra izany ny fanatsarana ny taranaky ny biby, izay misy ifandraisany betsaka amin’ny vokatra andrasana. Raha ny vaksinim-biby manokana, eo amin’ny 98 000 eo ireo biby efa vita tao amin’ny faritra Anosy. Ho an’ny ao Androy indray, dia eo am-panatanterahana izany ny Fitondram-panjakana sy ny mpiara-miombon’antoka, ary biby hatramin’ny 16 000 no hotratrarina amin’izany. Eo am-pamolavolana masomboly taorian’ny efa nozaraina ny tetikasa ankehitriny, ka masomboly katsaka 650 taonina no voalaza, fa hozaraina amin’ireo tantsaha, miampy bozaka ampaniriana ho an’ny biby fiompy. Eo amin’ny velaran-tany hiompiana indray kosa, dia 10 ha eo no omen’ny tetikasa hotanterahina ao Anosy, raha 12 ha no eritreretiny atao ao Androy. Efa nanao fanampiana kijana 25 ha koa ny tetikasa tany aloha. Teo koa ny fampitaovana nataony hanajariana ireo tany..

Tantsaha matihanina maro nisitraka lahin’omby

Nanafatra omby tsara taranaka avy any avaratry ny Nosy ny tetikasa, hanampiana ka hahazoan’ireo tantsaha ao atsimo vokatra tsara. Nisy, araka izany, fifanarahana dimy taona tamin’ireo mpiompy misitraka ny lahin’omby fakàna taranaka ireo, dia izay efa manana traikefa tamin’izany fiompiana izany, izay vaofidy tao anatin’ny maro. Nisy ny mason-tsivana, dia izay manana omby sy mpitaiza omby, ary mahalala ny fomba fitaizana omby sy manaraka torohevitra amin’ny fanatsarana ny fari-piainan’ny omby. Eo koa ny fahalalana momba ny fanalana kankana, ny vaksiny isan-taona, sy ny sisa. Dimy lahy ireo nahazo ity omby nafarana ity tao amin’ny distrikan’i Tolagnaro. Tanjona amin’ny fampidirana omby ao an-toerana io ny hahazoana omby vaovao sy karazany tsara nofo mifanaraka amin’ny tsena. Hampisy fidiram-bola ho an’ny tokantrano tsirairay ny asa fiompiana, ary azo atao maharitra.

Fermer