Fanadihadiana ManokanaFanatanjahan-tena

LALAON’NY FRANKOFONIA 2023 – KINSHASA : Medaly volamena 3, volafotsy 4, ary alimo 2 ho an’i Madagasikara

Nahafahana nametraka an’i Madagasikara teo amin’ny laharana faha-13 ny fahazoantsika ireo medaly 9: volamena 3, volafotsy 4, ary alimo 2, nandritra ny Lalaon’ny Frankofonia 2023, natao tany Kinshasa RD Congo. Tsy very maina ihany koa ny ezaka nataon’ireo mpifaninana maro. Tsy nitsanga-menatra i Madagasikara. Namarana ny lalaon’ny frankôfônia omaly hariva ny fiadiana ny medaly volamena ho an’ny taranja baolina kitra, ka i Cameroun sy i Burkina Faso no nifampikatroka tao anatin’izany…

Na teo aza ireo tsy fahatomombanana samihafa tamin’ny fikarakarana ny fandraisana ny lalaon’ny frankofonia ho an’ny Repoblika demokratikan’i Congo (RDC), toy izay naha lasibatra ireo delegasiona malagasy tany  an-toerana, dia fahombiazana kosa no namintinan’ireo tomponandraiki-panjakana any an-toerana ny akon’ny fandraisan’izy ireo ity andiany fahasivy ity, rehefa nitafa tamin’ireo mpanao gazety maro tany an-toerana izy ireo omaly. Nizotra tamim-pilaminana amin’ny ankapobeny ny fifaninanana rehetra notanterahina nanomboka tamin’ny 28 jolay, ary nifarana omaly 06 aogositra. Tsy nisy ny faharatrana goavana, raha ny nambaran’ireo tompon’andraikitra tany an-toerana hatrany. Ho an’i Madagasikara kosa, nahafahana nanamafy ny firaisankina sy ny fifandraisantsika tamin’ireo firenena samy frankôfôna nifaninana ny fandraisana anjara tamin’io lalao lehibe io.
Raha hiverenana fohy, lalao iraisan’ireo firenena maneran-tany miteny na mampiasa amin’ny ampahany ny teny frantsay ny lalaon’ny frankôfônia (jeux de la francophonie). Mizara roa mazava tsara ny sokajy hifaninana ao anatin’izany dia ny lalao ara-panatanjahantena sy ny sokajy ara-kolontsaina. Ny taona 1989 no nanombohana azy tany Maroc. Tanterahina isaky ny efa-taona izy ka i Frantsa no nandray ny lalao taorin’io Maroc io. Avy eo i Madagasikara tamin’ny taona 1997. Nanaraka antsika i Canada, Niger, Liban, ary niverina tany Frantsa indray avy eo. Nandray ny lalao farany ny tany Côte d’Ivoire tamin’ny taona 2017, ary io notanterahina tany Kinshasa-Congo farany teo io ny andiany fahasivy.
Araka izany, mpanao fanatanjahantena sy mpisehatra amin’ny tontolon’ny kolontsaina manodidina 2 000, avy amin’ny firenena 37, no nigadona tany Kinshasa hanome aina io lalaon’ny frankôfônia io. Taranja ara-kolontsaina miisa 11 sy ara-panatanjahantena miisa sivy no nifaninanana nandritra ny folo andro. Isan’ireo ohatra ny baolina kitra, basikety, hazakazaka, tenisy ambony latabatra, tolona afrikanina, Judo… sy ny pika sary, hira, dihy, sary sokitra, hosodoko, literatiora, sy ireo maro hafa.

Fahombiazana ho an’i Madagasikara

Tsy nitsanga-menatra manoloana ireo firenena maro nandray anjara tamin’ny lalaon’ny frankôfônia i Madagasikara. Isan’ny nandrombaka medaly volamena ny ekipantsika, na tany amin’ny sokajy fanatanjahantena izany, na ihany koa teo amin’ny lafiny ara-kolontsaina. Medaly volamena miisa telo araka izany no mody aty Madagasikara, taorian’ny fifandimbiasan’ireo fifanintsanana tamin’ny taranja maro.
Nanoratra tantara ho an’i Madagasikara nandritra ny lalaon’ny firenena miteny frantsay i Sidonie Fiadanantsoa. Izy no atleta nitondra medaly volamena voalohany ho an’ny firenena. Ny taranja hazakazaka “course 100M haies” ho an’ny vehivavy no nandraisany anjara. Tao anatin’ny ampaham-potoana 13’01 segondra no nanaovany ny halavirana ka vitany tsy nisy nihongana ireo fefy natao ho dinganina.

I Richianny Ratovo kosa no nitondra ny medaly volamena faharoa ho antsika tamin’ny alakamisy 03 aogositra lasa teo. Ny sokajy sary hosodoko no nandraisany anjara. Nanakoako tao amin’ny “Musée national de la RDC”, noho izany, ny “Ry tanindrazanay malala ô!”. “Hay ny tsiky manaloka” no anaran’ny tabilaony nalefany nifaninana. “Fitaratra, tantarao ahy” kosa ny sanganasany natao nivantana tany an-toerana ka nambabo ny mpitsara sy ireo rehetra izay nitsidika izany. Mbola porofo izany fa manan-karena talenta sy zavakanto ireo mpisehatra amin’ny kolontsaina eto amintsika.

Taorian’i Richianny dia mbola namiratra hatrany i Madagasikara tamin’ny zoma 04 aogositra farany teo. Azon’i Laura Rasoanaivo ny laharana voalohany teo amin’ny taranja Judo, sokajy vehivavy latsaky ny 70kg; rehefa nandavo ilay vehivavy kanadianina teo amin’ny ady farany izy. Vokany, medaly volamena fahatelo ho an’i Madagasikara io azon’i Laura Rasoanaivo io.

Nitondra medaly volafotsy miisa 4 ny taranja sary sokitra, judo, tenisy ambony latabatra, ary tolona

Mbola ny alakamisy lasa teo ihany koa no notanterahina ny lalao famaranana ny taranja judo ho an’ny sokajy vehivavy latsaky ny 57kg. Nanana solotena tamin’izany isika izay nandraisan’i Narindra Rakotovao anjara. Tanjona hatrany ny handrombahana ny medaly volamena saingy ny toerana faharoa izay hahazoana ny ledaly volafotsy aloha no azontsika teo amin’io sokajy io. Ilay vehivavy frantsay Chloé Valérie no nifanintsana tamin’i Narindra ka nambarany taorian’ny lalao nataony fa mafimafy ho azy ny fifandonana teo amin’ny mpifanandrina. “Nanome ny tsara rehetra aho. Malaelo saingy faly ihany koa anefa fa efa tafiakatra hatraty amin’ny dingana famaranana”, hoy hatrany ny nambarany.

Miavaka ihany koa i Madagasikara any amin’ny taranja tenisy ambony latabatra. Efa manana atleta matihanina eo amin’io resaka io isika ka i Fabio Rakotoarimanana indray no nitondra ny anaran’i Madagasikara tany amin’ny lalaon’ny frankôfônia tany Kinshasa. Raha mora ho an’i Fabio ny nandresy ilay Congolais tamin’ny lalao famaranana dia sahirana kosa ity solotenantsika ity tamin’ny lalao famaranana. 3 noho 1 ny isa farany nisarahany tamin’ny mpifanandrina taminy. Teo amin’ny laharana faharoa, noho izany, no nisy an’i Fabio ka notolorana ny medaly volafotsy ihany koa izy. Marihina fa izy ilay voatendry hitondra ny sainam-pirenena malagasy nandritra ny diabe izay nataon’ny delegasionina tamin’ny andro fanokafana ny lalaon’ny Nosy.

Medaly voalohany azon’i Madagasikara ny noentin’i Mbola Rakotoniaina teo amin’ny taranja tolona, sokajy latsaky ny 74kg. Nandrombaka ny medaly volafotsy, araka izany, ity farany. Izy no nisantatra ny fahazoana medaly ho an’ireo delegasionina malagasy nandray anjara tamin’ny lalaon’ny frankôfôna, tany Kinshasa-Congo.

Hamaranana ny fahazoan’i Madagasikara ny medaly volafotsy ny fiakaran’i Fitiavana Ratovo teo amin’ny antanan-tohatra faharoa. Ny sokajy sary sokitra no nisy azy.
“Ny varavaran’ny fihavanana” no anaran’ny sanganasa nentiny nifaninana, ary ny “mon rêve du monde” kosa no novitain’i Fitiavana tany an-toerana, naharesy lahatra ireo mpitsara.

Tany amin’ny laharana fahatelo no nisy ny basikety sy ny tolona afrikanina vehivavy ho an’i Madagasikara

Samy notanterahina ny sabotsy lasa teo ny fifaninanana ho an’ireo taranja roa ireo. Ny sabotsy maraina no niatrika ny famaranana ny lalao teo amin’ny sokajy vehivavy latsaky ny 68kg i Malala Soloniaina ka naharesy ilay vehivavy sénégalais antsoina hoe Awa Diarra. Teo amin’ny laharana fahatelo, noho izany, no nisy azy.

Lalao anisan’ny niandrasan’ny maro sy ireo mpitia basikety ny fiakarana an-tsehatra ho an-dry Ankoay vehivavy U25. Rehefa avy nifanandrina tamin’ny ekipan’i Liban dia norombahintsika io laharana fahatelo io. Tao anatin’ny elanelan’isa dimy, 69 noho 63 no isa farany nisarahan’ny roa tonta. Tao amin’ny kianjan’ny Martyrs, Kinshasa Congo no nanatanterahina ny lalao.
Mitazona ny laharana voalohany eo amin’io sokajy basikety vehivavy U25 io, araka izany, i Sénégal, Cameroun, ary manaraka azy i Madagasikara.

Fehiny, nahafahana nametraka an’i Madagasikara teo amin’ny laharana faha-13 ny fahazoantsika ireo medaly 9 azontsika ireo: volamena 3, volafotsy 4, ary alimo 2. Azo lazaina ho tsara izany vokatra izany mitaha amin’ireo firenena sasany hafa tsy nahazo na dia medaly volamena iray aza. Tsy very maina ihany koa ny ezaka nataon’ireo mpifaninana maro. Tsy nitsanga-menatra i Madagasikara.

Nangonin’i Sarobidy Sidonie.

Fermer